ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Tonga indray ny « i-toroka »

« i-toroka ». Izany no anaran’ny tranonkalan’ny Bianco natao ho fomba fiasa vaovao hiadiana amin’ny kolikoly, izay nampahafantarina tetsy amin’ny Carlton, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Azon’ny olom-pirenena rehetra atao ny mametraka ny fitarainany ao anatin’ity tranokala ity, izay hifandraisany mivantana amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly na ny Bianco.
Fantatra fa firenena maro manerantany no mampiasa ity fomba fiadiana vaovao ity ary efa nahitam-bokatra tsara tokoa izany, hoy ny tompon’andraikitra. Ao anatin’izany manko no efa misy sahady ny famotorana ataon’ny Bianco sy ny olona mpitoroka, ka hiarovana fatratra ny tsiambaratelo. Misy manko ny famotorana sy fanadihadiana ary fanontaniana misesy ataon’ny tompon’andraikitry ny Bianco amin’ilay mpitoroka ka ho fantatra avy amin’izany avy hatrany na mitombina na tsia ny fitorohana ataon’ilay olona. Hisy, ohatra, ny porofo takiana amin’ny mpitoroka, ka ho hita avy amin’izany raha mitombina na tsia ilay fitorohana. Raha mari-pototra izany, dia miroso lalina ny famotorana ataon’ny Bianco. Raha tsy mitombina kosa dia mitsahatra tsy misy tohiny eo ny raharaha.
Marihina fa tsy mahalala na mifankahita amin’io mpitoroka io akory ny mpiasan’ny Bianco fa avy hatrany dia manao ny asa famotorany.
Manohana izao ezaka izao ny tetikasa alemana GIZ. Tetikasa izay irina ahitam-bokatra tokoa, satria efa maro ny fomba iadiana amin’ity kolikoly ity, hatramin’ny nijoroan’ny Bianco, ny 09 Septambra 2004, kanefa tsy dia tena nahitam-bokatra loatra hatreto.

Ramanana

Vous aimerez aussi