ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Tsy hisy ny fanavahana

« Hahaleotena tanteraka ny Bianco amin’ny ady atao amin’ny kolikoly ary hampanjakana ny fanarahan-dalàna. Tsy hisy ny fanavahana amin’ny fampiharana ny lalàna ary tsy maintsy hisy ny vokatra ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany, ny talata maraina teo, nandritra ny lanonam-pitsarana nanaovan’ny Tale Jeneralin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (na ny Bianco), Andrianirina Laza Eric Donat,  ny fianianany tetsy amin’ny Fitsarana Antampony, Anosy.

Tsy hisy intsony ny gaboraraka satria efa be loatra ny mpangala-bolam-panjakana, betsaka ireo olona very tany amin’ny tsi-rariny,… Iadiana ny risoriso amin’ny fakana tolotrasa tsy misy asa akory, hoy ihany ny Filoham-pirenena.
Noho izany, vonona ny rehetra, hoy izy hampiakatra ny laharan’i Madagasikara eo amin’ity ady ity.

Maro ny sehatry ny kolikoly

Efa tafiditra amin’ny sehatra maro eto anivon’ny fiaraha-monina ny kolikoly. Iadiana, araka izany, izy io satria andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena manontolo ny fandresena azy, hoy ny Filohan’ny Fitsarana. Noho izany, ilaina ny fahaiza-manao sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay raha tiana hisy tokoa ny fampandrosoana.

Fahaiza-manao

Laharam-pamehan’ity Tale Jeneraly vaovao ity moa ny fahaiza-manao, ny fahalalana, ny fahendrena ary ny fanajana tanteraka ny rafitra misy amin’ny ady atao amin’ny kolikoly.
Marihina fa tompon’andraikitra manana traikefa izy satria efa Tale tao Mahajanga. Manam-pahaizana nianatra teto sy nandranto fianarana samihafa tany am-pita  ihany koa ity Tale Jeneraly vaovao hiasa mandritra ny 5 taona ity.

Vous aimerez aussi