Ny “SALON DE L’INTERPRETARIAT ET DES LANGUES INTERNATIONALES” andiany faha-43 no hetsika hotanterahana eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny alakamisy 10 sy ny zoma 11 jolay 2025. Fihaonan’ireo matihanina amin’ny fampianarana teny vahiny ny hetsika. Ny avy ao amin’ny “AJEEM Madagascar” no tompon’andraikitra mpikarakara ity hetsika mandritry ny roa izay handoavana saram-pidirana Ar 1.000 ity. Ity ” Salon de l’interprétariat et des langues internationales” ity dia ahitana vela-kevitra arahana adihevitra. Eo ihany koa ny fampirantiana sy ny fanentanana maro samihafa mahakasika ny fianarana teny vahiny. Ankoatra izay ny “Tombola” sy ny fisarihana vatsim-pianarana momba ny fianarana tenim-pirenena vahiny ary teny Malagasy ho an’ny teratany vahiny. Io andron’ny sy 11 jolay 2025, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, izay hanatanterahana ny “Salon de l’interprétariat et des langues internationales”, io no hampisitrahan’ny AJEEM Madagascar, fanomezana goavana ireo mpitsidika. Hahazo fampianarana teny sinoa maimaim-poana mandritra ny iray volana ireo mpitsidika miisa 1 000 tonga voalohany. Ankoatra izay dia mbola misy hisitraka fampianarana teny Anglisy maimaimpoana ihany koa ireo voasarika anarana, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ao amin’ny AJEEM Madagascar, Valimbavaka.
