Taorian’ny fankalazana ny Alahamadibe dia hiroso amin’ny fanamarihana ny Alahasatibe ny vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso ». Ny 04 aogositra hatramin’ny 09 Aogositra no hanatanterahana izany any Ankaratra.
Ny Alahasatibe izay azo ambara ihany koa hoe : « Andron’ody ». Fototra ijoroan’ny Alahasatibe ny fanovozan-kery avy amin’ny hazo sy ny rano mba ho masim-bava miteny sy hahamasin-tana-mandray ny isam-batan’Olona. Ankaratra no nofidina hanatanterahana ny fankalazana ny ivon’ny « Alahasatibe 2024 » noho izy manan-kasina, hoy, Rakotoarimanga Olivier, mpikambana sy mpandrindra eo anivon’ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso » Handrafitra ny fandaharam-potoana eny an-toerana ny fanatanterahana ny « lamalama » (Fiantsoana ireo fanahy), fidiovana amin’ny ranon’Ankaratra sy eny amin’ny farihy mamanala « Lac froid » Fanasinana amin’ny toerana maromaro ao anatin’ny Vohitr’Ankaratra. Anisan’ny zava-dehibe ny fanatanterahana ny « Joro Alahasaty » amin’ny alalan’ny famonoana omby, hotanterahana ny andron’ny, Alarobia 07 Aogositra, eny Anosiarivo, izay azo ambara ho toerana Ivon’Ankaratra. Mila madio am-po, fanahy ary saina ireo rehetra mikasa hanatrika ny « Alahasatibe 2024 » Tsy ny fanovozan-kery sy fanavaozana izany ihany no azo anatin’ny Alahasatibe fa eo koa ny fampitomboan-kasina ahafahana mandresy ny ratsy rehetra mety ho tojo ny isam-batan’olona eo amin’ny fiainana. Azo atao tsara, araka izany, ny manovo hery amin’ny alalan’ny fomban-drazana. Hery entina hanasoavana ny ankohonana, ny mpiara-belona ary ny firenena fa tsy sanatria entina hisomparana ny fiainan’ny hafa akory. Amin’ny volana Desambra no hankalaza ny « Alakaosibe » ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso ».
