« ALAHASATIBE 2024 » : Nanamafy ny firaisankina sy nahafahana nanovo hery

Ny 04 aogositra hatramin’ny 09 Aogositra lasa teo no nanatanterahana ny fankalazana ny Ivon’ny « Alahasatibe » teny Ankaratra. Ny Alahasatibe izay « Andron’ody ». Fototra ijoroan’ny Alahasatibe, araka izany, ny fanovozan-kery avy amin’ny hazo sy ny rano mba ho masim-bava miteny sy hahamasin-tana-mandray ny isam-batan’Olona. Ankaratra no nofidina nanatanterahana ny fankalazana ny ivon’ny « Alahasatibe 2024 » noho izy manan-kasina, hoy, Rakotoarimanga Olivier, mpikambana sy mpandrindra eo anivon’ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso ».

Ankoatry ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso » izay nikarakara ny hetsika dia nanatevin-daharana azy koa ny « Hasin’Ankaratra », « Zanahary tsy mandry » ary ny vondrona « Rain’ny mpanandro hasina » tamin’ity « Alahasatibe 2024 » ity. Porofo izany fa misy ary miha mafy orina hatrany ny firaisankina eo amin’ireo samy mpandala ny fomba (mala)gasy. Tsapan’ireo rehetra niatrika ny « Alahasatibe 2024 » tany Ankaratra fa nanovo herim-panahy avokoa izy ireo. Tsikaritra koa, hoy Rakotoarimanga Olivier avy ao amin’ny Vondrona « Tsy mamorona fa mamelo-maso » fa miverina amin’ny hitsiny miandalana ankehitriny ny « hasin’ny tany » Vokany, Mifanakaiky kokoa ankehitriny ny fifandraisana misy eo amin’ny Olombelona sy ireo « fanahy » koa tsy mahagaga raha toa ka fohy kokoa ny fotoana hamalian’ireo « fanahy » ny hataka na fangatahana ataon’ireo « Olombelona » amin’izy ireo. Ahafahana mitondra fivoarana eo amin’ny fiainana, araka izany, ny fahatsaran’ny fifandraisana eo amin’ireo « fanahy » sy isika « Olombelona ». Ny « hasina » ananan’ny tsirairay dia tokony hanasoavany ny mpiara-belona aminy fa tsy sanatria hisomparana azy akory. Ny hery ara-panahy izay ananan’ny tsirairay noho ny fananany hasina tokoa mantsy tsy voatery ampiasaina ho amin’ny ratsy fa afaka hanasoavana ny hafa. Ny fisian’ilay firaisankina sy firaisan-tsaina no anisany antony nampisandratra ny « hasina » tao anatin’ny fotoana fohy, nandritra ny fankalazana ny Ivon’ny « Alahasatibe 2024 » natao tany Ankaratra farany teo ka nahafahan’ireo « fanahy » nifandray akaiky kokoa tamin’ny Olombelona. Mila fahadiovan-tsaina sy fanahy tokoa mantsy ny fikirakirana ny fomban-drazana. Raha tanteraka izany, ho mora amintsika ny handresy amin’ny ady izay hatrehintsika. Toy ny ady amin’ny fahantrana, sns.

Ny fiandohan’ny volana desambra ho avy izao no hanamarihana ny « Alakaosibe » na tsinambolan’ny « Alakaosy » Andalana ankehitriny ny fametrahana ny fandrindrana ny ivon’ity fankalazana ity.

Vous aimerez aussi