Raikitra indray ny sakoroka nateraky ny tsena mora teny Ampefiloha ambodirano. Nanamafy ny sefom-pokontanin’Ampefiloha ambodirano fa fepetra notakiana ahafahan’ireo mponina misitraka ny tsena mora ny fananan’izy ireo ny karam-pokontany manamarina fa monina ao amin’ny fokontany tokoa izy ireo. Maro tamin’ireo tonga nilahatra ny tsena mora, hoy ingahy sefom-pokontany no tsy nanana izany teny antsikinany akory.
Ireo sokajin’olona tsy nanana karam-pokontany rahateo no nitarika ny sakoroka tao anatin’ny filaharana raha ny tazana teny an-toerana.
Niezaka nandamina ireo olona marobe nilahatra ny tsena mora teny Ampefiloha ambodirano ireo tomponandraikitry ny fokontany ary tsikaritra fa nilamina ihany izany tamin’ny ankapobeny. Ilaina hatrany ny fanarahana ny lamina napetraka sy ny fanajana ny lalàna mba hampirindra tsara ny fomba fiasa anatin’ny hamehana toy izao misy antsika izao.


