« Feo iray ho an’ny ankizy, entanin’ny ankizy malagasy ». Izany no lohahevitra nentina nanompanana ny fotoam-pankalazana ny 20 novambra, izay andro maneran-tany ho an’ny ankizy ary mifanandrify indrindra amin’ny faha-30 taona nisian’ny fifanarahana momba ny zon’ny ankizy teo anivon’ny Firenena Mikambana.
Ho fankalazana izany dia nanamarika ity andro ity koa ny teto Madagasikara ka naka ny toeran’ny solombavambahoaka ireo ankizy miisa 150 ary nitondra adihevitra momba ny zony, teny amin’ny Lapam-panjakana teny Tsimbazaza.
9 amin’ny 10 no tsy manan-jo tanteraka
Araka ny tatitra navoakan’ny Unicef dia zaza 9 amin’ny 10 no tsy misitraka ny zony eto Madagasikara. Maherin’ny 20%-n’ny zaza malagasy vao teraka no tsy manana kopiam-piankohonana.
Mbola ambany dia ambany ihany koa ny tahan’ny ankizy mahazo fitsaboana ara-dalàna. Ireo no anisan’ny tatitra mikasika ny zaza malagasy tao anatin’ny 30 taona farany.
Manoloana izany dia takiana ny fandraisana andraikitra haingana amin’ny fampiharana politika matotra sy hetsika atao hiarovana ny zaza eto amintsika.
Teboka 4 lehibe
Teboka 4 lehibe no tena tsikaritra manoloana ny zon’ny ankizy : ny fahantrana, ny fifindra-monina sy fitsoaham-ponenana, ny loza ateraky ny fiovan’ny toetrandro ka mitarika ny tsi-fahasalaman’ny ankizy, ny fihenan’ny taham-panaovam-baksiny tato anatin’ny 10 taona farany, ka porofon’izany ny fihanaky ny aretina kitrotro maneran-tany. Eo koa ny lafin’ny fanabeazana, izay nidina ambany ny tahan’ny fampidirana ny zaza an-tsekoly. Na ireo mianatra aza anefa dia tsy mahazo ny fahalalana fototra akory kanefa voatery mijanona noho ny olana ara-toekarena.
Manoloana ireo dia hitady paikady mahomby kokoa ny Unicef mba hamahana ny olana miaraka.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.