ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY BOKY : “Boky, ny mpanoratra: andrin’ny fampandrosoana” no lohahevitra

Nanomboka ny taona 1995 dia nametraka ny Unesco fa isaky ny 23 aprily no hankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena momba ny boky. Anisany nanamarika izany isika teto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny Fakiolten’ny “Economie” sy “Gestion” ary “Sociologie” na ny “EGS” no nanatontosana izany, ny zoma lasa teo, amin’ny naha andro tsy fiasana, ny 23 aprily 2025. Teny amin’ny Fakiolten’ny EGS sy teny amin’ny AMPHI Ambohitsaina no toerana nampahafantarina ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena momba ny boky tamin’ity taona ity.

“Boky, ny mpanoratra: andrin’ny fampandrosoana” no lohahevitra nanamarihana izany. Tanjona tamin’ity fankalazana ity ny hanamafy indray ny fitiavan’ny tsirairay ny famakiana boky sy ny hisarika azy ireo ihany koa hamaky hatrany ny boky. Ny famakiana boky izay manampy amin’ny fifantohana ara-tsaina sy hamolavolana ary hampitana fahalalana indrindra fa hahafahana manamafy ny kolontsaina amin’ny ankapobeny. Ny fiainana ankapobeny mihitsy araka izany no tontolon’ny vaky boky fa tsy ny eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fanabeazana fotsiny ihany. Ny famakiana boky izay voamarina fa mahaela velona ihany koa ny olona iray. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny andavanandron’ny rehetra araka izany ny famakiana boky. Antony hanomezan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany, lanja, ny boky sy ny mpanoratra ary ny mpanonta boky na miroborobo fatratra sy mivoatra manaraka ny toetrandro aza ny fanoratana boky. Mifameno rahateo na samy manana ny tontolony aza ny boky fizika sy ny boky ara-kajy mirindra ary ny boky nomerika. Izy ireo izay samy nomen’ireo mpisehatra manokana amin’izany ny toerany. Ny Fakiolten’ny “EGS” izay nanome sehatra ny mpamaky boky sy ireo ao anatin’ny tontolon’ny vaky boky tamin’ny alalan’ny hetsika maro, ny zoma lasa teo. Manaporofo izany ny tolotra toy ny atrikasa fampianaranana manoratra boky sy ny “atelier de lecture” ary ny “slam”.

Teo ihany koa ny varotra fampirantiana boky niarahana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny boky (Mpanoratra, Librairie, Editeur, Imprimerie, Bilbliotheque). Nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny mpanakanto DAMA (Mahaleo). Teo ihany koa ny “panel de discussion” manodidina ny lohahevitra hoe: “De la culture livresque à la culture numérique: avantages et limites”. Ny seho samihafa tamin’ny endriny maro niarahana tamin’ireo mpianatra izay niarahana tamin’ny mpanakanto Samoela sy Ayam, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fakiolten’ny EGS.

Vous aimerez aussi