“ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ASA SOSIALY” : Nomarihan’ny Sekoly Ambony “ESDES” tamin’ny tolotra fanampiana

Asa sosialy maro sosona no nanamarihan’ny Sekoly Ambony “Ecole Superieure de Développement Economique et Social” na ny (ESDES) ny “Andro maneran-tany ho an’ny asa sosialy” izay hankalazaina isaky ny 18 martsa.

Teo aloha ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra momba ny asa sosialy eto Madagasikara izay niarahan’ity Sekoly Ambony ity tamin’ny Profesora Rakoto David Olivaniaina, ny Dr Rakotondrainibe Andry, Mr Tiavina Ranaivo izay avy ao amin’ny “FID” sy ny avy ao amin’ny “Unesco” ary ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Avy eo dia notohizan’ny “ESDES” tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ireo mponina sahirana ara-pivelomana ao anatin’ny fokontany Ankadivato izay misy ny foiben-toeran’ity Sekoly Ambony ity izany. Ny Fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Ambony “ESDES” no niantsoroka ny fanomezanana ireo anjara biriky ho an’ny sahirana ara-pivelomana ireo raha nanampy tamin’ny fikarakarana ny Sekoly. Tena mandray anjara tanteraka amin’izany asa sosialy ho an’ny mpiara-belona izany sahady araka izany ireo tanora mandranto fahaizana amam-pahalalana ao amin’ny Sekoly Ambony “ESDES” fa tsy mijanona ho beazina fotsiny ihany.

Ankoatra ireo dia teo ihany koa ny latabatra boribory izay niarahana nikatsaka ny hanatsarana ny sehatry ny asa sosialy eto Madagasikara. Fampivelarana ny tanora izay mitarika ho any amin’ny fampandrosoana ny firenena no tanjon’ny Sekoly Ambony “ESDES” izay anisany manokana ny Lalam-piofanany ho amin’izay asa sosialy izay. Ity Lalam-piofanana “Travail Social” ity izay ahitana mpiantsehatra aman’arivony eto amin’ny Sekoly “ESDES” manerana ny Nosy. Antony tsy hanaovan’ny Sekoly ambanin-javatra ny fanamarihana ny “Andro maneran-tany ho an’ny asa sosialy”.

Amin’ny maha mpisehatra ny Sekoly “ESDES” eo amin’ny fampandrosoana ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy ihany koa anefa dia tsy navelan’ny Sekoly Ambony “ESDES” nandalo fotsiny izany “Andro maneran-tany ho an’ny asa sosialy izany”. Ny Lalam-piofanana “Travail Social” izay misy Sampana miiisa telo eo anivon’ny Sekoly Ambony “ESDES”. Eo aloha ny mpanentana eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny “Assistante Sociale” izay manampy amin’ny famahana ny olana sedrain’ny olona eny anivon’ny fiaraha-monina ary ny mpanabe eny anivon’ny fiaraha-monina. Ireo faritra miisa 20 amin’ireo faritra miisa 23 eto Madagasikara dia efa ahitana ny Sekoly Ambony “ESDES” avokoa amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Sekoly Ambony “ESDES”, Hanitriniaina Chilo.

Vous aimerez aussi