Hotanterahana eny amin’ny kaominina Ambohimanga Rova, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra 2025, ny hetsika ara-kolontsaina antsoina hoe: “Angaredona Mozika Festival”. Ity andiany faha-19 ity izay nampitondraina ny lohahevitra manao hoe: “kolontsaina mampiray firenena”. Hetsika ara-kolontsaina mampivondrona mpanakanto maro sy hanasongadinana kilalaon-tsaina isan-karazany araka izany ny “Angaredona Mozika Festival”. “Carnaval”, “Camping”, “Feu de camp”, “Ateliers”, “Animation scolaires”, “Stands d’exposition”, “Parking sécurisé”, kilonga milalao no handravaka ny fotoana mandritra ireo 9 andro ireo. Hifandimby hiaka-tsehatra mandritra ireo fotoana ireo ny mpanakanto. Anisan’izany Bolo sy Kaiamba ary Rajery&Tahina Carine, ny sabotsy 13 septambra 2025. Eo ihany koa Mbola Talenta sy Inah, ny zoma 19 septambra 2025. Handray anjara amin’ity hetsika ara-kolontsaina ity Raouto sy LJo, ny sabotsy 20 septambra 2025. Ankoatra ireo ny tarika Rossy sy Feokanto ary Kougar, ny alahady 21 septambra 2025. Mpanakanto hafa ankoatra ireo voatanisq ireo no mbola hifandimby hiaka-tsehatra mandritry ny hetsika ara-kolontsaina “Angaredona Mozika Festival”, araka fanazavana voaray hatrany.
