Maharitra hatrany amin’ny ora dimy ny fahatapahan-jiro eny Ankazomanga. Velon-taraina ireo mponina mampiasa ny herinaratra toy ireo miasa vy, ny mpivarotra hazandrano, mpanjaitra mampiasa milina…, noho ny fatiantoka aterak’izany.
Tsy ny seha-pihariana ihany no voadonan’ny fiverenan’ny delestazy etsy Ankazomanga fa eo ihany koa ny lafiny fandriampahalemana. Manomboka mahazo vahana rehefa nilamindamina teo aloha ny asa fanendahana, ny fanaovana sinto-mahery. Mandry tsy lavo loha tsy andro tsy alina ny mponina. Maro ireo antso efa nataon’izy ireo ho an’ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama saingy mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fahatapatapahan’ny herinaratra eny an-toerana. Ankoatry ny tsy fisian’ny rano izany dia ambony apanga mbola zakain’ny Malagasy indray koa ny delestazy amin’ny faritra maro tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra. Nijanona ho fampanantenana sy kobaka am-bava fotsiny ihany hatreto ny filazana ombieny ombieny fa ho vahana haingana ny olan’ny famatsiana ny rano sy ny jiro ho an’ny Malagasy. Rahoviana tokoa àry vao tena ho nofy ratsy sisa ny “delestazy” sy ny tsy fahampian’ny famatsian-drano eto an-tanàna e ? Asa angamba atsy ho atsy, hoy ilay tononkiran’ny tarika Mahaleo izay.


