ANKIZY HANALA FANADINANA CEPE, BEPC ARY BAKALOREA : Mila tohanana ara-tsaina, ara-moraly ary ara-tsakafo dieny izao, hoy ny talen’ny sekoly

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fanadinam-panjakana izay hatrehany ireo kilonga mandinika amin’izao fotoana izao. Ao ireo hiatrika ny fanadinana Cepe, Bepc ary ny Bakalorea. Nilaza ireo talen’ny sekoly 2 izay nanaovana fanadihadiana fa ilaina ny fanohanana ireo ankizy hiatrika fanadinana dieny izao, hoy izy ireo. Ho an’ny talen’ny sekoly Ampinga d’Or, atoa Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena, fa tena ilaina ny fanohanana ireo ankizy amin’ny ara-moraly, izay tokony ho tohanana betsaka amin’izany izy ireo. Tsy avela hiary tory be loatra ary tsy tokony hanao fesiboky koa, fa miomana sy mifantoka amin’ny famerenana lesona ireo ankizy hiatrika ny fanadinana. Tohanana ara-tsaina ihany koa izy ireo. Tsy dia havela hianatra irery fa atoro amin’ny taranja izay mbola tsy hainy. Eo ihany koa ny fanohanana azy ireo amin’ny sakafo mafana sy ara-pahasalamana. Ho an’ny talen’ny sekoly Edenah, ramatoa Ravololomanana Clarisse indray dia ilaina ny fanohanana ireo ankizy hiatrika fanadinana amin’ny lafiny rehetra. Eo ihany koa ny fampanaovana azy ireo amin’ny fitafiana mafana. Marihana, fa efa nanao fanadinana fotsy na examen blanc avokoa ireto sekoly 2 ireto ary hiditra amin’izay fanadinana farany izay izy ireo, amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavana azo.

Vous aimerez aussi