ANTOKO MFM : Hirotsaka ho mpanohitra

Tsy hangina intsony ary tsy hijery arina an-tava amin’ny zava-tsy mety eto amin’ity firenena iombonana ity ny antoko MFM. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Sekretera Nasionalin’ny antoko, Rakotovazaha  Olivier izany, io maraina io, nandritra ny fotoam-pankalazana ny faha-47 taona nisian’ny antoko MFM.

Tsy maha-marin-toerana ny halabato

Nasiany teny ihany ny tsy fankasitrahana ny fomba fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara.  Tsy nandeha araka ny tokony ho izy mihitsy io hatrizay, hoy izy.

Sosonkevitra efa natolotry ny MFM tamin’ny taona 2017 ny tokony handrafetan’ny sefom-pokontany voafidim-bahoaka ny lisi-pifidianana. Ilaina, noho izany, ny solosaina hampidirana ny anaran’ny olona eny anivon’ny Fokontany mba hisian’ny fangaraharana eo amin’ny raharaham-pifidianana.

Tsy maha-mari-toerana ny Fitondrana mihitsy ny fandrombahana ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana misy hosoka, hoy ihany izy, satria miteraka fimenomenomana manerana ny Nosy izany.

Raharaha Iles Eparses sy fakana fahefana eny an-dàlambe

Nasian’ity Sekretera Nasionaly ity resaka ihany koa ny amin’ny tsy fanekeny ny maka fahefana eny an-dàlambe. Notsiahiviny manko fa misy hatrany ny hetsika tahaka izany rehefa misy ny fitakiana ireo Nosy manodidina ireo.

Ny taona 2008 dia namoaka didim-pitondrana ny fitondrana frantsay mba hanaovana fikarohana entona sy solika ao amin’ny Nosy Juan de Nova, ny volana desambra io. Ny valin’izany dia ny fanozongozonana ny Fitondrana nisy teto tamin’izany. Ary dia fantatry ny rehetra ny tohiny.

Tsy nanaiky izany fiovana izany ny antoko MFM fa nanakiana ny fakana fahefana eny an-dàlambe, indrindra fa mbola nohamafisin’ny Ministra  Ségolène Royal ny fanomezana alalana ny kaompania roa hitrandraka ny solika sy ny entona tao. Vokatr’izany dia namoaka fehin-kevitra ny MFM, ny 17 novambra 2015, izay naparitaka tamin’ireo Masoivohom-pirenena rehetra teto Antananarivo. Nanomboka teo dia niresaka ireo Nosy manodidina ireo ny rehetra.

Ny MFM dia mbola manamafy ny hitadiavana ny famerenana ireo Nosy ireo ho an’ny Malagasy.

Vous aimerez aussi