ANTOKO MPIHIRA « LA POLIFONICA DI TANA » : Ivondronan’ireo Mpampianatra hira

Ny 20 janoary 2020 no niforona ny antoko mpihira « La Polifonica di Tana ». Niompana tamin’ny filalaovana ireo hira klasika italiana izy tany am-boalohany ka nampitolagaga ireo vahiny italiana ny nihirany ny hiran’i G. Puccini, G. Verdi, Donizetti… tamin’ny 22 febroary 2020 tao amin’ny IKM Antsahavola. Taty aoriana, nivelatra tamin’ny fiangaliana ireo hira klasika hafa ny « La Polifonica di Tana » ka nihira ny sanganasan’ i L.v. Beethoven, J.S. Bach, A. Mozart, Haendel, Haydn sy ireo maro hafa nilalao ny mozika klasika. Tsy very anjara tamin’izany ireo hira malagasy noforonin’i Ratany, Rajoro, Gilles Ramiarison, sns. Ireto farany izay azo ambara fa samy andrarezina teo amin’ny sehatry ny famoronan-kira teto Gasikara.

Miavaka sy matihanina

Ireo mpampianatra hira any amin’ireo Antoko mpihira « chorales » hafa avokoa no mandrafitra ny « La Polifonica di Tana ». Vokany, tsy misy loatra ny fotoana atokana ho amin’ny fianaran-kira fa zaraina fotsiny ny « Sorampeo » – « partitions » – (Solfa sy solfezy) izay efa samy havanana amin’ny famakiana sy fampiasana izany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny « La Polifonica di Tana ». I Tanjona Rakotoarisoa no « Chef de chœur ». Tombon-dahiny ho an’ity antoko mihira ity tokoa, araka izany, ny fananana ireo mpikambana efa matihanina amin’ny fikirakirana ny mozika.

Maro ireo kaonseritra nataon’ny « La Polifonica di Tana ». Singanina amin’ireny ny tao amin’ny Tranombokim-pirenena, ny Institut Français de Madagascar, ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny Ivokolo ao Analakely. Ny tsikaritra tamin’ireo fampisehoana nataon’ny « La Polifonica di Tana » dia ny fanatrehan’ireo manampahefana sy olomanan-kaja isan-tsokajiny toy ny solombavambahoaka, senatera, minisitra hatramin’ny filoham-pirenena. Natao ho an’ny sokajin’olona rehetra ihany koa anefa ny kanto voizin’ity Antoko mpihira hivondronan’ireo mpampianatra mozika maro ity. Ny Dr. Rakotobe Andriamaro A. no filoha mpiahy ny « La Polifonica di Tana ».

Vous aimerez aussi