Mandia ny faha-52 taona nijoroany ankehitriny ny Antoko mpihira « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy ». Manodidina ny 35 ireo mpikambana eo anivony. Anisan’ireo Antoko mpihira manome lanja manokana ny seha-panabeazana ara-panahy, ara-batana ary ara-tsaina ireo mpikambana inty antoko mpihira eny Itaosy inty. Nomarihan’i Mamisoa, izay filohan’ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy » fa banja « sehatra » iray malalaka ahafahana manabe sy mifanabe ary fizarana ny mahasoa ny Antoko mpihira. Manjaka eo anivon’ireo mpikambana sy mpitantana eo anivon’ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy », araka izany, ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina ary ny fifampizarana izay mifaka amin’ny voarakitra anatin’ny baiboly. Anisan’ny sehatrasa ataon’ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy » ny fanatanterahana ny « Tafika masina » ahitana fampianarana sy fitoriana ny filazantsara sy ny fanolorana fiofanana ilain’ny isam-batan’olona amin’ny fiainana andavan’andro toy ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana, sns.
Mirona kokoa amin’ny fiangaliana ny gadon-kira milamina ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy » ary miara-miasa amin’ireo mpamoron-kira efa sangany eto an-tanàna.Tombony ho an’ireo mpikambana ny fanomezana fiofanana feno momba ny fahalalana fototra takian’ny fikirakirana ny tontolon’ny mozika. Ampahany amin’izany ny fianarana ny « Solfa » sy ny « Solfège » miampy ny tekinikan’ny fomba fihirana ho azy ireo. Vinanasan’ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy » ho amin’ity taona 2023 ity ny hanatanterahana « tafika masina » any Amparafaravola. Raha fintinina, miezaka mampiara-dalana mandrakariva ny fanabeazana ny saina, vatana ary fanahy ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy » ary mametraka hatrany fa fiainana ny fiderana an’Andriamanitra. Ny andalantenin’ny soratra masina notsoahana avy ao amin’i Isaia 41-23 « Izao Olona noforoniko ho ahy izao no hanambara ny fiderana ahy ». Io no teny faneva ho an’ny « Ny Hosana METM Jerosalema vaovao Itaosy ».
