« Fandrosoan’ny faritra iaby ho an’i Madagasikara » Midika hoe : Rehefa mandroso ny faritra tsirairay dia mandroso i Madagasikara. Ny 05 aprily 2023 no nijoro ara-panjakana taorian’ny nahazoana ny « Récépissé » Any Maintirano, faritra Melaky no misy ny foiben-toeran’ny Antoko Fy-M izay tarihan’ny filoha nasionaliny Raderanirina Sendrison. Raha tsiahivina, nandray anjara feno hatrany tamin’ireo fifidianana nisy sy nifandimby teto amin’ny firenena ny « Fy-M. Midika fa velona ary manohy hatrany ny fiseharana ara-politika ireo mpikambana eo anivony izay efa mipariaka saika manerana ny Nosy.
Mazava ny fomba fijerin’ny Antoko politika Fy-M ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Mbola miaina anaty fahantrana lalina sy mangitsokitsoka ny vahoaka malagasy mandraka ankehitriny, Maro no antony miteraka izany toy ny tsy fahaiza-mitantana, ny fisian’ny tsy maty manota ary ny fizahozahoana diso toeran’ireo mpanao politika malagasy miampy ny fitiavan-tena diso tafahoatra ankehitriny eo amin’izy ireo. Manampy trotraka ireo ny tsy fisian’ny fiaraha-mientana eo amin’ny fokolonona, ny avara-pianarana ary ny fanjakana foibe. Mila mandray andraikitra miaraka, araka izany, ny Malagasy rehetra raha te hahita fampandrosoana mamaly ny filan’ny isam-paritra. « Mila manorina fiaraha-monina vaovao hampantanjaka ny firenena ka mba hisy fiadanana amin’ny Malagasy tsy vakivolo eran’ny faritra rehetra », hoy ny filoha mpanorina ny Antoko politika « Fy-M » Raderanirina Sendrison nanamafy izany.
Noharin’ny Antoko politika Fy-M ho toy ny fanorenana « Trano gasy » ny teti-panorina novolavolain’izy ireo hiadiana amin’izao fahantrana lalina iainan’ny Malagasy ankehitriny izao . Ny fototra dia ny fiadiana amin’ny fahantrana lalina mandritra ny roa taona. Ny sehatry ny fahasalamana, fampianarana ary ny sakafo ampy sy ara-pahasalamana no atao laharam-pahamehana amin’izany. Hatao ho toy ny vonjy ranovaky ny fanatanterahana ireo ho an’ireo vahoaka eny ifotony izay misehatra voalohany amin’ny asa fampandrosoana. Ny rindrina « Rihana » kosa dia ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fokonolona sy ny Mpitondra fanjakana. Omena sehatra ihany koa ireo Tanora avara-pianarana isam-paritra hanampy ireo Fokonolona sy hanamora ny fanatanterahana ireo drafim-pampandrosoana miainga eny ifotony mba hamaly ny filan’ny rehetra. Ireo tanora avara-pianarana, araka izany, no toy ny tetezana mampitohy ny Fokonolona sy ny Fitondram-panjakana ary ho mpanara-maso ny fanatanterahana sy ny kalitaon’ireo asa vita. Rehefa tafajoro ny fototra sy ny rindrina, azo atao ny mametraka ny « tafo ». Ny tafo eto dia ny famolavolana ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana. Mazava ho azy fa hiainga amin’ny tena zavamisy eny ifotony amin’izay ny famolavolana izany noho ny fisian’ny fiaraha-miasa sy misalahy eo amin’ny Fokonolona, ny avara-pianarana ary ny mpitondra fanjakana koa azo antenaina ny hisian’ny tena fampandrosoana mamaly ny filan’ny isam-paritra. Anisan’ny antoky ny fampandrosoana ihany koa ny fisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nomarihan’ny Antoko politika « Fy-M » fa ny fahantrana no fahavalon’izy ireo ary Antoko fatra-panaja lalàna ny « Fy-M » mba ho ohatra velona azo halain-tahaka ho an’ny rehetra. Raha fintinina, « Ny vahoaka no tompon’ny fampandrosoana fa tsy ny mpitondra fanjakana » Mana-marina izany ny fahantrana lalina mbola mitoetra mandraka ankehitriny iainan’ny Malagasy izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Midika fa tsy vitan’ny Mpitondra fanjakana samy irery ny asa fampandrosoana. Mila mandray andraikitra ny rehetra ary mila miala amin’ilay manao tazan-davitra tsy ahitam-bokatsoa.
