ANTOKO TIM ANDOHARANOFOTSY : Velona ary manohy ireo asa fampandrosoana

Velona ary manohy miasa hatrany ny Antoko Tiako i Madagasikara etsy Andoharanofotsy, hoy ny filohan’ny Com TIM Andoharanofotsy Raharimanana Fanja. « Tsy natao hahakivy ny tsy fahombiazana tamin’ny fandraisana anjara teo amin’ny niatrehana ny fifidianana ben’ny tanana farany teo fa nakana lesona ho fanitsiana ny dia ho amin’ny fiatrehana ny ho avy izany », hoy hatrany izy.

Tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo no nizaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara fanomezana « PPN » ho an’ireo mponina miisa enimpolo ambiny zato isaky ny fokontany izay miisa valo mandrafitra ny Kaominin’Andoharanofotsy. Ankoatry ny fanohizana ireo asa sosialy ataon’ny Antoko Tiako i Madagasikara Andoharanofotsy dia tsy mitsahatra ny fanomezana aina sy ainga vao ny Antoko amibn’ny alalan’ny fitsidihana ireo mpikambana eny ifotony.

Mandritra ny fanatanterahana izany no hanentanana mandrakariva ireo mpikambana sy hampatsiahivana azy ireo fa manana adidy ngeza makadiry ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagaikara ny Antoko Tiako i Madagasikara koa tsy tokony hiraviravy tanana ny rehera ho fanabezam-boho hatrany ny Antoko Tiako i Madagasikara izay eo ambany fitarihan’ny filoha Ravalomanana. Ity farany izay tsy sasatra mamerina fa mila mandray andraikitra sy mijoro mandrakariva ny mpikambana rehetra eo anivon’ny Antoko Tiako i Madagasikara ho amin’ny fanavotam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana tena izy izay antoka hisian’ny fampandrosoana. Maro amin’ireo mponina anatin’ny fokontany miisa valo, ao amin’ny Kaomnina Andoharanofotsy no resy lahatra amin’ny foto-kevitra sy ny fomba fiasan’ny Antoko Tiako i Madagasikara eny an-toerana.

Vous aimerez aussi