ARETINA CORONAVIRUS : Misy tranga vaovao 20 indray

Araka ny valin’ireo fitiliana natao farany dia niampy 20 indray ireo olona fantatra fa mitondra ny otrikaretina coronavirus eto Madagasikara. Marihina fa ny 15 amin’ireo dia any Toamasina avokoa fa ny 3 ao Moramanga ary ny 2 no eto Antananarivo.

Arak’izany dia voamarika fa ny any Toamasina izao no tena mirongatra ny fiparitahan’ity valanaretina ity. Fantatra fa avy tao Ambatovy no nisiany saingy niparitaka ihany na dia efa natokamonina sy noferana tsy nisy nahazo nivezivezy intsony aza ao amin’io toerana io.

Amin’izao izany dia 93 amin’ireo 212 voamarina fa mitondra ny otrikaretina ireo dia ao Toamasina avokoa, ka 70 amin’ireo no mbola tsaboina fa ny 23 no efa sitrana. Noho izany dia tsapa fa mila fanarahamaso henjakenjana kokoa ny ao Toamasina ao, satria hita izao fa mbola 1/3 ihany aloha no sitrana nefa ny marary mitombo ihany, kanefa raha ny eto Antananarivo dia efa tafiakatra avo 2 henin’ny tsaboina ireo sitrana.

Raha fintinina izany dia 5670 no tontaliben’ireo fitiliana efa natao fa 212 no nisy ny otrikaretina ka 105 amin’ireo no mbola manaraka fitsaboana raha tsy misy kosa ny tranga atahorana, tahaka izany ihany koa, tsy misy ny maty.

Manamafy moa ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny amin’ny tokony hanarahana hatrany ireo fepetra efa napetraky ny fitondram-panjakana ka tsy hanao antsirambina mba hisakanana ny fiparitahan’ity areti-mandoza ity.

Vous aimerez aussi