Toerana roa samihafa, dia ny teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano sy teny amin’ny CCI Ivato no nanaovana ny fitiliana ho an’ireo mpandeha avy any ivelany izay tonga teto Madagasikara, ny 11 sy ny 12 martsa lasa teo, ka nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva no nanaovana izany, tamin’ny alalan’ny fitiliana manokana na TDR na “Test de Diagnostic Rapide” tamin’ireo mpandeha miisa 731.
Taorian’izay, izay vita fitilina kosa ka tsy mitondra ny soritr’aretina dia nahazo “certificat” avy amin’ny fitondram-panjakana. Voamarina kosa tamin’ireo toerana roa nanaovana ny fitiliana ireo, fa 5 tamin’ireo mpandeha notiliana no mitondra ny valan’aretina coronavirus. Ny iray teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano, ny 4 kosa teny amin’ny CCI Ivato. Mbola arahimaso kosa ny fahasalaman’izy ireo. Araka ny fanazavana voaray, dia mikoha-maina, manavy, reraka, sempotra ary mila “oxygène” ny 4 voan’ny aretina coronavirus ary efa raisina an-tanana izy ireo. Marihana, fa mitohy hatrany ny fitiliana ataon’ny “Institut Pasteur de Madagascar”, hoy ny fanazavana voaray.
