ARO-VAVA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA : Notomboka omaly ny fizarana

Ministra maromaro, mpikambana ao anatin’ny governemanta no nidina tetsy Analakely nanentana ireo mpivarotra sy ireo mpiantsena, mba hanaja ilay 1 metatra ary tsy hivoaka ny trano, fa olona iray isa-tokantrano no miantsena. Teo ihany koa ny fizarana ireo aro-vava avy amin’ny fitondram-panjakana, ka aro-vava miisa 3.000 no nozaraina maimaim-poana ny talata teo. Efa nandefasana ireo aro-vava ireo ihany koa ny tany Toamasina sy Fianarantsoa, izay nahitana ny soritr’aretina coronavirus. Mbola hitohy amin’ity anio ity ny fizarana ireo aro-vava ireo, ka ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra indray no hotetezin’ireto minisitra ireto, hizarana io aro-vava io.

Vous aimerez aussi