ASA FAMORONANA MIAVAKA : Havoitra amin’ny hetsika “Malagasy Design Gaze”

Ny hanomezana sehatra ny talentan’ireo mpanakanto malagasy eo amin’ny asa famoronana miavaka no tanjon’ilay hetsika “Malagasy Design Gaze” izay karakarain’Ihoby Rabarijohn sy Kiady Ratovoson, ny 7 ka hatramin’ny 21 jona 2025. Izy io izay hotanterahana amin’ireo toerana telo samihafa eto Antananarivo dia eny amin’ny “Flow Galerie” sy eny amin’ny “Fondation H” ary eny amin’ny “Le Gourmet”.

Mpanao asa tanana miisa 9 no hampiseho ny fahaiza-manaony amin’ireo fotoana ireo dia i Ando Ramanantsoa, Fanjar, Saida Augustine, Chloe Ramanankasina, Iandry Randriamandroso, Eric Raisina, Kiady Ratovoson sy Aina Dedem ary Georges Floret. Varotra fampirantiana manome vahana ny asa famoronana miavaka araka izany no haseho ny daholobe sy ireo matihanina amin’ireo fahaizana sy ny kalitao ary ny harenan’ny asa famoronana ny vita Malagasy ireo. Asa famoronana avy amin’ny vato, lamba, hazo sy taretra ary fanodinana akora efa tsy ilaina intsony ho lasa azo ampiasaina izay tsy fahita andavanandro indray araka izany no ho hita eny amin’ireo toerana ireo. Fotoana izay hahafahan’ireo mpankafy ny zava-kanto mifandray amin’ny fanaingoana sy ireo mpisehatra eo amin’ny “architecture d’intérieur”.

Ny sabotsy 7 jona 2025 no hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika. Hotohizana amin’ny “Dégustation design” ao amin’ny “Le Gourmet”, avy eo, ny fotoana, ny 13 jona 2025. Mitohy ao amin’ny “Fondation H” izany, ny 14 jona 2025. Hofaranana ao amin’ny “Marais Design Food” amin’ny lanonana “Mars Design Attack” izay hotanterahana eny amin’ny “Restaurant Le Marais” ny hetsika, ny 21 jona 2025. Izy io izay hifanindran-dalana amin’izany ny fankalazana ny fetin’ny mozika, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ ny “Mad’Art Advisory”.

Vous aimerez aussi