ASA FANAOVAN-GAZETY : Hatramin’ny 6 tapitrisa ar ny lamandy

Hatramin’ny 6 tapitrisa ar ny lamandy ho an’ny mpanao gazety fa tsy hisy ny fampidirana am-ponja azy ireo. Teboka iray amin’ireo valo nentin’ny kaomisiona manoloana ireo solombavambahoaka miisa 50 teny anivon’ny Antenimierampirenena izany io maraina io, mikasika indrindra ny sata mifehy ny serasera.

Nodinihina nandritra izany ihany koa ny firafitry ny lalàna, ny zom-piainana manokana (vie privée), ny zon’ny « presse en ligne », izay tena asa fa tsy vadin’asa, ka ilana olona tena mpanao gazety matihanina.

Eo amin’ny fampivoarana ny asa fanaovan-gazety dia omena tombony eo amin’ny fadin-tseranana sy ara-ketra ny mpanao gazety amin’ny fanafarana entana mifandray amin’ny asany.
Marihina fa mpanao gazety maro no niatrika ity fihaonana ity ary nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo solombavambahoaka eo amin’ny sehatry ny asa, toa an-dry Fidèle Razara Pierre sy Fetra Rakotondrasoa.

Vous aimerez aussi