ASA FANAOVAN-GAZETY : Tsy takona afenina ny fanelingelenana

« Olom-pirenena aloha vao mpanao gazety. Noho izany, ambanin’ny lalàna ! ». Anisan’ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy izany, io maraina io, teny Nanisana, raha namaly ny Holafitry ny Mpanao gazety izy, manoloana ny olana samihafa nihatra tamin’ny olon’ny serasera tato ho ato.

Tsy mahazaka hevitra tsy mitovy

Nianjadian’ny olana isankarazany tokoa manko ny mpanao gazety sasantsasany tao ho ao, ka nanambara fa tsy takona afenina intsony ny fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy fanehoan-kevitra eto Madagasikara.

Voaelingelina, araka izany, ny fanehoan-kevitra sy ny filazam-baovao marina, hoy ihany ny Holafitra, satria fanaovana ramatahora sy tsy fahazakana hevitra tsy mitovy no mihatra amin’ny mpanao gazety, kanefa dradradradraina ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra izao.

Koa  ahiana ny hitaran’izany amin’ny namana mpanao gazety hafa sy amin’ny sehatry ny asa mihitsy. Nanterin’ny Holafitra fa mampita vaovao no asantsika, ary vaovao tsy voatery hamalifaly ny mpitondra…fa vaovao andrasan’ny olom-pirenena amintsika, noho izy manan-jo ahazo vaovao feno sy marina amin’ny endriny samihafa, ahazoany mandray fanapahan-kevitra.

Ankoatra izany, nahazo didy famindran-toerana (na affectation disciplinaire) ho any Maintirano ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Holafitra. Tsy fantatra mazava ny tena anton’io famindrana io na dia nisy ihany aza fangataham-panazavana avy amin’ny tompon’andraikitra misahana izany.

Mpanao gazety 8

Nasian-dresaka  koa moa ny mikasika ny fampiatoana ireo mpanao gazety ECD miisa 41,  avy amin’ny haino amanjerim-panjakana TVM sy RNM, nandritra ny fihaonana tamin’ny Holafitra.

Nahitsin-dRtoa Minisitra anefa androany fa 52 no isan’ireo mpiasa ireo ary 3 tamin’ireo mpanao gazety avy amin’ny RNM ihany no natsahatra, 2 kosa no avy amin’ny TVM ary 3 no tany amin’ny Faritra.

Tsy nitondrany fanazavana kosa ny nifantenana ireo mpiasa ireo. Toa izany koa ny famindran-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Holafitra.

Vous aimerez aussi