“ASSISTANCE +” : Orinasa misehatra eo amin’ny lafiny fitsaboana

Orinasa iray misehatra eo amin’ny lafiny fitsaboana ny “assistance +”, izay manana ny foiben-toerany eny Mamory Ivato. Nandritra izay 30 taona nijoroany teto Madagasikara izay dia tsy nitsahatra nanitatra ny ambaindain’ny orinasany ny “assistance +” mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany. Ahitana ny “assistance +” araka izany eny Ivandry Ankorondrano sy any Toamasina ary any Mahajanga. Teny filamatry ny orinasa ny hoe : “notre nature, c’est la vie”.

Tanjon’ity orinasa misehatra amin’ny lafiny fitsaboana ity ny hanala sahirana ny tsirairay eo amin’izay lafiny fahasalamana izay indrindra fa ireo marary. Antony hanakaikezan’ny orinasa hatrany ny mpanjifa. Tsy voatery hanatona toeram-pitsaboana intsony ireo marary satria ny “société médicale assistance plus” no mandefa mpitsabo any amin’ny toerana misy azy ireo sy ny mpanjifa. Izany hoe: afaka miara-miasa mivantana amin’ity orinasa ity ny rehetra. Tolotra maro samihafa rahateo no omen’ny “assistance +”. Anisan’izany ny “first assistance voyage” sy ny “etio+” ary ny “first aminay” sy ny maro samihafa. Ny “first aminay” izay tolotra hahafahana mampody ireo razana avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Ny “first aminay” dia tolotra vaovao omen’ny orinasany ny mpanjifany. Ireo tolotra hafa kosa dia ny fahafahana mandefa marary mankany ivelany na ny “Evacuation Sanitaire-EVASAN”. Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay hetsika “Foire Internationale de Madagascar-FIM” izay karakarain’ny orinasa “MadaVision”, eny amin’ny CCI Ivato, ny “assistance +”.

Ao amin’ny tranoheva 382-383 no ahitana azy ireo. Nisy ny fampiofanana nentin’ny orinasa “assistance +” nampahafantarana ny fihetsika tokony hatao eo amin’ny famonjena voina. Teo ihany koa ny fampahafantaran’ny orinasa ny mahakasika azy. Ankoatra izay ny fanoroana hevitra amin’ireo mpitsidika, amin’izao foara izao. Ny “F.I.M” dia hetsika nanomboka ny alakamisy 22 ka hifarana ny alahady 25 may 2025.

Vous aimerez aussi