« ASSOCIATION LA CHARITE MADAGASCAR » SY « ASSOCIATION LA CHARITE A LA REUNION » : Nanolotra Colis Ramadan ho an’ny tokantrano 75 isa ho an’ireo Mpino Silamo

Tsy diso anjara avy tamin’ny fikambanana 2 mpanao asa soa avy eto Madagasikara sy avy atsy La Réunion ireo Mpino Silamo eto Antananarivo, izay miatrika Ramadan amin’izao fotoana izao. Nahazo tohana ara-tsakafo na « Colis Ramadan » avy tamin’ny « Association La Charité Madagascar » izay tarihin’ny filohany, atoa Zouber Assenjee sy ny « Association La Charité de la Réunion » izay tarihin’ny filohany ihany koa, atoa Salim Ally Akbar izao « Colis Ramadan » izao, mandritry ny volana Ramadan. Nahitana vary, menaka, paty, siramamy, mofo, ronono, ranoboankazo, sns, izao fanampiana avy amin’ny fikambanana 2 izao. Anisan’ny mpanao asa soa eto an-tanindrazana koa ireto « Association La Charité » roa ireto, hoy ny fanazavana.

Nambaran’atoa Zouber Assenjee, fa tohana manokana ho an’ireo Silamo izao fanampiana nozaraina izao, satria 10 andro sisa dia ho vita ny Ramadan. Miarahaba ireo Mpino Silamo rehetra manerana ny nosy noho izany ireto filoha roalahy ireto, dia atoa Zouber Assenjee sy Salim Ally Akbar, fa nahatratra ny Ramadan ny taona 2021 izy ireo. Araka ny fanazavan’atoa Zouber Assenjee hatrany, dia manana ary maro ireo « activités » hataon’ny fikambanana. Manome sakafo ho an’ireo ankizy sahirana sy kamboty isan-kerinandro ny fikambanana. Hizara fanafody sy arovava ary « gel » isaky ny CSBII ihany kosa ny fikambanana aorian’ny Ramadan, hoy izy. Manampy ny olona mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny asa sosialy koa izy ireo. Ny zomà ho avy izao dia tokantrano Mpino Silamo miisa 75 hafa indray no hahazo izay « Colis Ramadan » avy amin’ny fikambanana izay. Nozaraina 2 izany, hoy ny fanazavany, satria ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika no tsy azo hatao ny mamory olona. Marihana, fa aorian’ny Ramadan, dia hitety karitie ny fikambanana ary hizara arovava sy sakafo ho an’ny zaza sahirana sy ireo zokiolona.

Vous aimerez aussi