Nomarihan’i Sabumnim Rakotondramanana Yves Francky izay « Instructeur internationale » eo anivon’ny Association « Madagascar ITF Dojang Heng De ary anisan’ireo namorona ny fikambanana fa tsy afa- misaraka ny fitaizana sy fikoloana ny vatana, saina ary ny fanahy rehefa mikatroka ny Taekwondo.
Anisan’izany ny fitandroana ny fifanajana sy ny fitsipika mifehy mba hananana ny fifehezan-tena eo amin’ny tsiraiaray. Rakiana amin’ireo mpikatroka ihany koa ny fananana faharetana rehefa miatrika tranga sarotra. Mila mahay mifehy ireo karazana fihetseham-po maro tsy misaraka amin’ny Olombelona ihany koa ireo mpikambana mba ahafahana miatrika ampahatoniana sy ampiheverana ary ampisainana ny zavamisy. Tsy hadinon’ireo mpitarika ny mampianatra teny vahiny ireo mpikatroka toy ny teny anglisy mba tsy hanana olana izy ireo rehefa miatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena, hoy hatrany ny Sabumnim Rakotondramanana Yves Francky. Ity farany izay efa niatrika fiofanana maro tany ampitan-dranomasina izay niompana tamin’ny lafiny teknikan’ny taranja Taekwondo. Singanina amin’ireny ny niatrehany ny fampiofanana notarihan’i Profesora Ri Yong Son, tany Vienne Autriche. Tsy tapaka manaraka ny fiofanana any Chine ihany koa ny Sabumnim Rakotondramanana Yves Francky. Ity farany izay nanamarika fa mora mandray ny fampianarana manodidina ny haiady Taekwondo ny Malagasy. Ny fikambanana « Madagascar ITF Dojang Heng De » izay efa misandrahaka any Antsirabe sy Toamasina ankehitriny.



