ASSOCIATION « MANAMPISOA » : Misehatra amin’ny asa fampandrosoana sy fanampiana ireo Mpiara-belona

Fanolorana fampiofanana ireo tanora manan-talenta amin’ny sehatry ny asa tanana sy ny taozavatra toy ny fandrariana ho amin’ny fanamboarana harona, poketra fanampiana ireo olona tena sahirana eo amin’ny fiainana andavanandro, famoronana asa toy ny fanamboarana savony, « autobloquant », sns…

Ho amin’ity fiatrehana ny taom-pianarana vaovao hiditra ity dia hanolo-tanana ho an’ireo Ray aman-dreny sahirana te hampiana-janaka nefa tsy afaka manao izany noho ny tsy fahampian’ny enti-manana ny Association « Manampisoa » tarihan-dRandriamanampisoa Michel, fantatry ny maro amin’ny hoe : « Zoky Misa ».

Anisan’ny hisitraka izany ny eny Ambohimangakely sy ny any Sambaina. Ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana any ivelany no nahafahana manantanteraka izany, hoy i Zoky Misa. Marihana fa efa misehatra any Manjakandriana, Morondava ihany koa ny Association « Manampisoa » Andalana ny fametrahana izany manerana ny Nosy, hoy, i Zoky Misa ».

Nanteriny hatrany fa mila mifanampy sy mifanohana ny samy Malagasy mba hahafahana miala malaky anatin’izao fahantrana lalina izao. Manana ny hareny i Madagasikara saingy noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fitiavan-tena diso tafahoatra loatra eo amin’ireo Mpanao politika no anisany antony lehibe mampilentika hatrany ny vahoaka Malagasy anatin’ny honahonan’ny fahantrana.

Tsy tolotolotra miendrika tapi-maso sy vonjy tavanandro tsy mahavita taona tahaka ny ataon’ireo « Mpitondra » ankehitriny mba hiarovana fotsiny ihany ny sezan’izy ireo sy ny fahefany, araka izany, no antoka hisian’ny tena fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Ny famoronana asa sy ny fitaizana ny Vahoaka hahay hiray hina sy hamerina indray ny « Soatoavina malagasy » izay mifaka amin’ny firaisankina, fihavanana, fifanampiana, sns no takian’ny firenena mba hiadana sy ho finaritra tokoa ny Ambanilanitra rehetra miaina eto ambonin’ity Nosy misarin-tongotra ankavia rakotra harena sarobidy tsy hita noanoa ity.

Vous aimerez aussi