Ny alakamisy 5 jona 2025 no notontosaina, teny amin’ny FJKM Salema Vaovao 67 Ha, ny fametrahana ny Tale vaovaon’ny “Aumonerie” FJKM eto amin’ny Fonjan’ny faritra Analamanga, Razafindramanitra Nestor Mpitandrina. Izy izay hanao laharam-pahamehana ny fijerena ny mahaolona an’ireo voafonja ireo amin’ny alalan’ny fampiofanana maro samihafa.
Tanjona ny mba hahafahan’ireo voafonja ireo miatrika indray ny fiainany aorian’ny fahavitany ny saziny any am-ponja. Mba handray andraikitra ihany koa eny anivon’ny fianakaviana nihaviany sy eny amin’ny fiaraha-monina. Antony hisokafan’ny “Aumonerie” FJKM Analamanga amin’ny rehetra eo amin’izay fiaraha-miasa amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona izay. Ny fonja izay anisan’ireo ivon-toerana hiasan’ny “Aumonerie” Fjkm Analamanga. Ny “Aumonerie” Fjkm Analamanga izay anisan’ireo miandraikitra ny fanabeazana ara-panahy indrindra fa ny an’ireo voafonja. Amin’ny alalan’ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, ny fampianarana katekomena sy ny fametrahan-tanana ary ny fizarana sakafo sy ny maro samihafa.
Ny fandraharahan’ny fonja kosa no miandraikitra ny famerenana ireo voafonja ireo eny anivon’ny fiaraha-monina. Ireo voafonja ireo izay nisy ny miova famindra aorian’ny fahavitan’ny saziny any am-ponja. Mahatratra 30. 000 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo voafonja eto Madagasikara, araka ny fanazavan-dRazafindramanitra Nestor Mpitandrina.
