BASE TOLIARA : « Aza fahanana lainga ny vahoaka Malagasy ary arovy ny zony hiaina am-pahamendrehana ao anaty fahalemana amin’ny lafiny rehetra »

FANAMBARANA

 BASE TOLIARA: AZA FAHANANA LAINGA NY VAHOAKA MALAGASY ARY AROVY NY ZONY HIAINA AM-PAHAMENDREHANA AO ANATY FAHALEMANA AMIN’NY LAFINY REHETRA

 Taorian’ny kabary nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny 4 mai 2025 sy ny fidinany tany amin’ny distrikan’ny Toliara I sy II tamin’ny 17 mai 2025, dia tsy mitsahatra manely vaovao tsy marina ary manao fandresen-dahatra feno fitaka sy lainga tsara lahatra amin’ny fomba rehetra ireo mpomba ny tetikasa Base Toliara.

Anisan’ny lohahevitra lehibe novoizina tao anatin’izany serasera izany ny fitiavana manokana misy eo amin’ny Filoham-pirenena sy ny mponina ao Toliara. Mba hampisehoana izany fifanarahan-tsaina izany, dia nanome baiko ny Ben’ny tanàna ao Ankilimalinike hisamborana ireo mpitarika ny fanoherana an’i Base Toliara ao Benetse mba tsy hanelingelina ny fahatongavan’ny Filoha tany an-toerana, saingy tsy tanteraka izany.

Rehefa niresaka tamin’ireto farany ireto indray ny Filoha tao Madiorano, alohan’ny fidinany tany Ankilimalinike tamin’ny 17 mai 2025, dia nanambara fa ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Préfet no tompon’andraikitra tamin’ny  fisamborana ireo olona nandray anjara tamin’ny hetsi-bahoaka fanoherana ny tetikasa Base Toliara tamin’ny 6 sy 27 aprily 2025, fa izy tenany manokana dia tsy nanome baiko mihitsy tamin’ny fampidirana am-ponja azy ireo. Namafisiny tamin’ny baiko famotsorona ireto farany avy ao am-ponja izany fanambarana izany.

Novoizina mafy koa ny filazana fa tena nahomby tanteraka ny fifampiresahan’ny Filoha tamin’ireo mpitarika ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara ao amin’ny Zanadriaka sy ao amin’ny fokonolona voakasika ao Toliara II, izay niova hevitra ka efa manaiky io tetikasa io ankehitriny. Ny zava-misy marina izay voaporofo amin’ny horonam-peo sy sary samihafa, dia tsy nivadika tamin’ny safidiny hatramin’izay, ary nanamafy ny tsy fanekeny ny tetikasa Base Toliara hatramin’ny farany ireo mpitarika rehetra izay niresaka tamin’ny Filoha Andry Rajoelina, na ao amin’ny Zanadriaka, na ny Colonel Fanampera ao amin’ny FIMA, na ny ao amin’ny fikambanana MAZOTO.

Raha ny mahakasika ny radioactivité hateraky ny fitrandrahana fasimainty sy monazite indray, dia tsy sasatry ny manampi-maso sady manakiana ny voka-pikarohana siantifika navoakan’ireo manam-pahaizana Malagasy sy vahiny ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministera voakasika.  Ireo mpomba an’i  Base Toliara moa dia tsy misalasala mihitsy manaratsy ireo manam-pahaizana ireo. Ny fanakianana sy ny fanaratsiana azy ireo anefa dia tsy mampiova ny fahamarinan’ny porofo siantifika mazava nomeny momba ny voka-dratsy rehetra izay hateraky ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II, indrindra indrindra ny fihanaky ny radioactivité izay hitera-doza mahafaty ho an’ny fahasalamam-bahoaka na ho ela na ho haingana.

Ny fikambanana manao sonia ity fanambarana ity dia manatanteraka ny adidiny amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny zo fototry ny mpiray tanindrazana voakasika, fa tsy faly mampatahotra ny vahoaka fotsiny akory.  Izahay dia mampahatsiahy etoana ireo izay mamahana lainga sy mamitaka ny vahoaka Malagasy mikasika ny fiantraikan’ny tetikasa Base Toliara fa izany dia midika ho fankatoavana tsy misy hambahamba ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika ho an’ny tombotsoan’ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc.

MASINA NY TANINDRAZANA KA TSY AZO AMIDY !

Natao androany faha-22 May 2025

 ·       Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI)

craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com

·       Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) – farmmadagascar@gmail.comhttps://web.facebook.com/farmadagascar

·       Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) – rjdd.madagascar@gmail.comhttps://web.facebook.com/RJDDMadagascar

·       Fikambanan’ny Masikoro Arivolay Antananarivo (FI.MA)

·       Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoko (FI.FI.MA.MA).

Vous aimerez aussi