Lany ho filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano, Faritra Analamanga, Ramparaoelina Rado. Notontosaina ny alarobia 12 novambra 2025, teny Mahamasina, ny fifidianana nandritry ny fihaonam-ben’ny Ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy.
Filoha mpiara-mitantana amin’ity fikambanana ity, ny ben’ny tanànan’ Ambatoboeny, Rakotonandrasana Jean Valérie sy ny ben’ny tanànan’Antsohihy, Harinomenjanahary Vanessa Justicia.


