BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA : Hanao inona ?

Efa saika tafapetraka amin’ny toerana ka mandray ny asany avokoa ireo Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina vaovao manerana ny Nosy, ankoatra ireo kaomina vitsivitsy nanana olana ka voatery hamerina ny fifidianana.

Inona avy ny andraikiny

Tsy afa-misaraka ny andraikitr’izy ireo fa tokony hifameno amin’ny fampandrosoana ny kaomina nahavoafidy azy.

Samy miandraikitra ny fitantanana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ifotony ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsainan’ny Tanàna.

Ny Ben’ny Tanàna no lehiben’ny rafitra mpanatanteraka, ka betsaka ny andraikitra sahaniny, araka ny voalazan’ny lalàna.

Ny Ben’ny Tanàna no tompon’andraikitra amin’ny famolavolana sy ny fanolorana ny tetibolan’ny kaomina. Ao anatin’izany ny vinavina fidiram-bola sy ny vinavina famoaham-bola ho an’ny fampandrosoana ny kaomina izay tantanany.

Ny Ben’ny Tanàna no lehiben’ny antotan-taratasy rehetra mahakasika ny sora-piankohonana eny anivon’ny kaomina. Izy no manampahefana amin’ny fitantanana ny fananan’ny kaomina, ny fitantanana ny mpandraharaha sy ny mpiasan’ny kaomina rehetra.

Ny Ben’ny Tanàna no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanam-bola, na famoahana na fampidiram-bolan’ ny kaomina. Izy ihany koa no misahana ny resaka tolo-bidy rehetra amin’ny asa  izay atao eny anivon’ny kaomina.

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fisoloana tena ny kaomina amin’ny sehatra hafa sy ny rafi-panjakana hafa ivelan’ny kaomina koa ny Ben’ny Tanàna.

Afaka mampiato ny Ben’ny Tanàna ny Mpanolotsaina

Ny Mpanolotsaina kosa no rafitra mpanapa-kevitra eny anivon’ny kaomina. Ny Mpanolotsaina no mandany amin’ny alalan’ny fifidianana sy fanapahan-kevitra raisina amin’ny tolo-kevitra rehetra hentina hitantanana ny kaomina, izay atolotry ny rafitra mpanatanteraka tarihin’ny Ben’ny Tanàna.

Ny Mpanolotsaina izany no mivory ary mandany na manitsy izay mety ho teti-pampandrosoana aroson’ny Ben’ny Tanàna ka heverina fa hampandroso ny kaomina.

Ny Mpanolotsaina ihany koa dia fahefana afaka manara-maso  sy manao tombana ny asan’ny rafitra mpanatanteraka izay tarihin’ny Ben’ny Tanàna.

Noho izany, ny Mpanolotsaina dia manana fahefana hangataka ny fampiatoana ny Ben’ny Tanàna, ary afaka mangataka mihitsy ihany koa ny fampiatoana amin’ny asany mihitsy ny Ben’ny Tanàna.

Ny Mpanolotsaina no manapa-kevitra eo amin’izay rafitra hapetraka hitondrana ny kaomina. Anisan’izany ny isan’ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna hapetraka sy ny isan’ny mpiasa na ny fizarazaran’ny sampan-draharaha eny anivon’ny kaomina.

Ny Mpanolotsaina ihany koa no afaka manapa-kevitra ny amin’ny fanomezan-dàlana ny rafitra mpanatanteraka na ny Ben’ny Tanàna hitrosa vola na hitrosa fananana any amin’ny sehatra hafa ivelan’ny kaomina.

Araka izany dia rafitra roa samihafa ary samy manana ny fahefany ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina kanefa tsy afa-misaraka kosa. 4 taona, azo avaozina moa no fepotoana iasan’izy ireo avy.

Vous aimerez aussi