BEPC – Taranja Malagasy : Tsara ny asa mahaleotena

Ny hatsaran’ny fananana asa mahaleotena. Izany no vontoatin’ny laza adina nentin’ireo mpiadina niatrika ny fananadinana Bepc, androany maraina.

Nisantatra izany fanadinana faharoa ara-panjakana izany ny taranja Malagasy. Laza adina izay misarika ny mpianatra sy ny tanora tsy ho sodokan’ny asa birao hatrany na hiantehitra amin’ny asam-panjakana foana ka tsy manana tanjona afa-tsy ny fisondrotan-karama. Fa mba hanangana ny orinasa ho an’ny tena manokana kosa.

Ny tolakandro kosa dia ny siansa no taranja natrehin’ireo mpiadina. Mpiadina izay nahatratra hatramin’ny 328.621 isa manerana ny nosy, ka nitsinjara tamin’ny foibem-panadinana miisa 1.034.

Miisa 167 kosa ireo toerana hatokana hitsarana izao fanadinana izao. Fanadinana izay hifarana amin’ny alakamisy 12 septambra ho avy izao, amin’ny alalan’ny taranja anglisy.
Amin’ny ankapobeny dia nizotra tsara tamim-pilaminana ity fanadinam-panjakana faharoa ity.

Vous aimerez aussi