BORIBORINTANY FAHA ENINA : Manatanteraka ny “Petits projets” ny kaominina ny delege

Misy ny tetikasa izay iarahana amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, izay veliranon’Iarivo no hilazana azy. Izany hoe ireo fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-kevitra. Efa manomboka manao izany izany izy amin’ity taona 2021 ity, hoy ny delegen’ny Boriborintany faha enina, ramatoa Razanamandimbisoa Tantely. Na dia niatrika ny coronavirus aza isika tamin’ny taona 2020 ary mbola miatrika izany amin’ity taona ity, dia efa ao anatin’ny asa ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao. Ho an’ny Boriborintany faha enina manokana, dia misy ilay antsoina hoe “Petits Projets”.

Io “Petits Projets” io araka ny “esprit” nitondran’ny Ben’ny tanàna azy dia tetikasa madinika, nefa misy fiatraikany amin’ny fiainan’ny olona isam-baravarana. Matetika mantsy isika dia tsy manao tetikasa raha tsy lehibe. Fa mba anisan’ny vaindoha-draharahan’ny Ben’ny tanàna dia ny hanao asa kely isaka ny fokontany. Efa nanomboka tamin’ny volana febroary teo ny fanatanterahana azy io. Fa ho an’ny Boriborintany faha enina dia efa 2 izao no vita. Ny anankiray dia tao amin’ny fokontany Amorona izay fokontany somary ambanivohitra ihany aza izy na dia ao anatin’ny Renivohitra, izay mpamboly sy mpiompy ny 70% mazava ho azy. Dia misy tetezana iray be mpampiasa ho an’ireo mpamboly, hitaoman’izy ireo ny vokatra, handehanan’ny mpianatra sy hivezivezen’ny olona maro, izay fampanantenaina nataon’ny Ben’ny tanàna koa izy io, ka dia notanterahina izany tamin’ny volana febroary teo. Tetezan-kazo izy io, izay vita tsara tarehy ary mirefy eo amin’ny 100 metatra eo izy io ary afaka hizoran’ny olona roa. Hazo lava ary mafy no nanamboarana io tetezan-kazo io ary inoana sy antenaina, hoy ramatoa delegen’ny Boriborintany faha enina Razanamandimbisoa Tantely, fa haharitra amam-polo-taonany io tetezana io, satria mafy orina ary manome endrika sy fanatsarana ny tanàna.

Tamin’ity tapaky ny volana martsa ity indray dia vita ny lalan-kely mirefy 60 metatra ao amin’ny fokontany Antsararay. Lalana tena nampijaly olona io lalana io nandritry ny 30 taona, ka olona manodidina ny 3.000 no mampiasa azy. Vita soamatsara moa izy io amin’izao ary vita béton ary nasiana vody vato avo mba haharitra. Vao vita moa izy io dia niova tanteraka ny tanàna. Izay ilay tanjona ao anatin’io “Petits Projets” io, hoy ny delege. Eo am-panatanterahana ny tetikasa fahatelo indray ny kaominina Antananarivo amin’izao ary amin’io herinandro io ao amin’ny fokontany Ambohimanandray, dia hisy ny fanitarana toerana fanasan-damba na basin, satria ny olona mitombo nefa ny toerana basin kely dia kely dia lasa manimba fotodrafitr’asa ny olona. Izy io ihany koa dia fampanatenaina natao, ka hotanterahina amin’io herinandro io, ka ho vitaina ao anatin’ny 15 ka hatramin’ny 20 andro eo io tetikasa io.

Hafa ny tetikasan’ny kaominina

Nambaran’ny delege, fa ny tetikasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia hafakely, satria tsy orinasa na “entreprise” lehibe no manamboatra azy, fa natao anatin’ny asa HIMO, izany hoe hanomezana asa ny olona, ka olona eo amin’ny fokontany ihany no nalaina hanao ilay asa. Misy tambikarama ilay izy ka 5.000 ariary ny tambiny omena ilay olona ary tapak’andro ihany no manao ny asa. Ny service tekinika ny Boriborintany sy ny tekinisiana eo amin’ny departementa ny ministeran’ny asa vaventy no mifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny asa dia azo lazaina hoe mahomby ilay izy. Ny esprit nitondran’ny Ben’ny tanàna azy moa dia ilay olona eo amin’ny fokontany mihintsy no manao ny asa mba ahafahan’ny olona miahy sy miaro ary mikolokolo ny fotodrafitr’asa, raha sanatria misy ny fahasimbana dia izy ireo ihany no manamboatra ny fotodrafitr’asa ary hita fa mahomby.

Hanana tetikasa 40

Raha ny vina indray dia hanana tetikasa 40 isaky ny Boriborintany, raha tsy misy ny sampona, izay no tanjona ary irariana ny ahavitan’izany. Etsy ankilany mikasika ny asa, dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny FID ary efa manomboka ankehitriny, tetikasa ilay izy. Zavatra mipetraka io asa io, ohatra tetezan-kazo madinika 2 na 3 metatra na lalan-kely fohy 2 metatra nefa mahakasika fiainan’olona marobe, izay tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny koaminina sy ny FID.

Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy dia hanomboka ihany koa ato ho ato, izay fiaraha-miasa amin’ny FID ihany koa io zavatra io. Resaka ankohonana miarina sy asa avotra. Asa avotra dia ilay tetikasa madinika, hanatsarana ny tanàna iray, nefa handraisana sy hanomezana tambikarama sy asa an’ilay olona mipetraka eo amin’ny toerana. Ny ankohonana miarina kosa, dia tetikasa mbola eo am-pikonokononana azy fa efa hanomboka handeha. Amin’izay ankohonana miarina izay, dia misy fanampiana vola an’ilay olona sahirana ary nisy ny fanadihadiana natao teny ifotony izay natao tamin’ireo tokantrano tena sahirana. Nisy olona nalefan’ny FID nanao fitsirihana ny tokantrano tena sahirana, dia hisy ny fanampiana ara-bola ary hatao ato ho ato izy io.

Manaja ny fepetra

Mikasika ny fiparitahan’ny coronavirus kosa indray dia nisy ny fepetra noraisin’ny Boriborintany faha enina. Nilaza ramatoa delege, fa izay olona miditra ny birao dia tsy maintsy manasa tanàna ary mampiasa gelary manaja ny 1 metatra. Tsy misy kosa ny fitangoronana ao amin’ny Boriborintany faha enina. Mandritry ny lanonana fanambadiana kosa dia tsy mihotra ny 60 ny manatrika, izay no manaja ny fepetra ao amin’ny efitrano. Eo koa ny famendrahana ny fanafody ny Boriborintany faha enina isan-kerinandro, isaky ny alarobia, ka ny BMH no manao azy. Eo koa ny famendrahana hataon’ny faritra Analamanga amin’ny alalan’ny Governora isaky ny herinandro koa io. Misy koa ny fanentanana tsotsotra iarahana amin’ny mpiasan’ny Boriborintany rehetra. Marihana, fa ny kaominina Antananarivo Renivohitra no manao izay famendrahana fanafody izay.

Vous aimerez aussi