BORIBORITANY FAHAROA SY FAHATELO : Maro ireo tovovavy tsy ampy taona no miroso amin’ny fanambadiana

Maro ireo tovovavy tsy ampy taona no miroso eo amin’ny sehatry ny fanambadiana, raha ny fanazavana. Raha ho an’ny boriboritany fahatelo dia mahatratra 25 ireo miroso amin’ny fisoratam-panambadiana izay ny 18 desambra izao, ka efatra amin’ireo dia tsy ampy taona. Manodidina ny 16 taona izy ireo ary 65 taona ny zokiny. Araka ny nambaran’ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina, dia maka taratasy fankatoavana avy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tsy ampy taona raha hisoratra ary mitondra vavolombelona dia ny reny niteraka azy izany. Olana mahatonga izany, hoy izy dia eo ny mety ho fahasahiranana na/sy bevohoka mialoha, ka tsy maintsy miditra amin’izay sehatry ny fanambadiana izay. Ny taratasy iatrehana an’izany kosa dia tsy maintsy vita 15 andro mialoha.

80% ny tsy ampy taona bevohoka

Raha ho an’ny boriboritany faharoa kosa indray, dia ny 80% n’ireo tovovavy tsy ampy taona misoram-panambadiana dia mitondra vohoka. Mahatratra 60 ireo miroso amin’izay fanambadiana izay amin’ity volana desambra ity, ka mahatratra 5 ireo tsy ampy taona. 17 taona ny salataonan’izy ireo ary 55 ny zokiny. Tsy maintsy milà fankatoavana avy amin’ny fitsarana koa vao miroso amin’ny fanambadiana ireo tsy ampy taona. Nambaran’ny delegen’ny boriboritany faharoa atoa Rabemananjara Charmant d’Assise, dia tsy maintsy ny renin’ireo tsy ampy taona no vavolombelona amin’ny fisoratana. Ankoatra izay dia mikarakara “salon de métier” ny CUA, mandritry ny 2 andro dia 17 sy 18 desambra izao eny amin’ny Esplanade Ankatso. Maro ireo tanora no very asa, ka natokana ho azy ireo ity forum ity. Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo ny ben’ny tanàna izao hetsika izao. Mahatratra 80 ny trano eva ho hita mandritra io forum io. Mpitsidika 2 000 kosa no handrasana mandritr’io 2 andro io. Ny boriboritany faharoa no nanombohan’ny CUA azy, fa ezahina hasiana salon ny boriboritany 6 eto amin’ny CUA. Marihana fa andiany voalohany izao “salon de métier” izao. Hita mandritr’io ny fanaovana CV ary misy ny “recrutement sur place”, hoy hatrany ny delege.

Vous aimerez aussi