Tontosa teny amin’ny CCI Ivato ny 09, 10 ary 11 Desambra teo ny Fikaonandoham-pirenena ho fampivoarana ny sehatry ny fiompiana, na colloque national pour le développement de l’élevage à Madagascar, teo ambany fiahian’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana.
Fikaonan-doha nandraisan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fiompiana izay miisa maherin’ny 300 anjara : ny tantsaha, ireo mpandraharaha, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny Fitondram-panjakana.
Nandray anjara tamin’izany koa ny Loholona Tsiebo Mahaleo izay nanambara nandritra ny lahateny izay nataony ny maha zava-dehibe ny fiompiana izay manampy amin’ny fidirambolan’ny 60%n’ny malagasy.

Noho izany hoy izy mila ampiana ny mpiompy ary iarahana tadiavina ny vahaolana maharitra manoloana ireo olana sedrain’izy ireo mba hahafahana manatanteraka ny Velirano faha 9 ny filoham-pirenena dia mba hananan’i Madagasikara fahaleovantena ara-tsakafo.
Ny teny filamatra nandritry ny fanaovana ny fakan-kevitra koa moa dia « Miaraka isika, hikaondoha sy hitondra vahaolana ho fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana ».

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.