“CEPE 2025” : Tsy mahita ny 18 amin’ireo kandida miisa 571.367

Hotanterahina eto Madagasikara, ny talata 17 jona 2025, ny fanadinam-panjakana “CEPE 2025”. Mahatratra 571. 367 ny isan’ireo kandida hiatrika izany manerana ny Nosy. Izy ireo izay hitsinjara amin’ireo foibem-panadinam-panjakana mahatratra 2.088 sy amin’ny efitranom-panadinana miisa 15.737.

Avy eto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ny kandida izay miisa 177.559 amin’ireo kandida miisa  571.367 ireo. Miisa 108.934 ny avy any Fianarantsoa raha mahatratra 99.974 ny avy any Toamasina. Ny any Mahajanga dia miisa 71.575 raha miisa 61.476 ny any Antsiranana ka 51.849 ny avy any Toliara.

Tsy mahita avokoa ny 18 isa amin’ireo kandida ireo. Nanomboka tamin’ity taona ity dia tsy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny “DEXAMC” intsony no nanonta ny laza adina fa ny eny anivon’ny “CISCO” no nandray an-tanana izany. Ny teny amin’ny DREN no namolavola sy nisafidy ny laza adina. Ireo “DREN” miisa 23 eto amintsika araka izany dia samy manana ny laza adiny avokoa raha mitovy avokoa ny laza adin’ny CISCO izay mandrafitra ny DREN iray, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi