Telopolo taona amin’ity taona 2025 ity no nijoro ny orinasa mpanolo-tsaina momba ny fitantanana amin’ny lafin’ny maro na ny “FTHM Consulting”. Nahatratra 700 ny isan’ ireo orinasa tato anatin’ny firenena Afrikanina no niasan’izy ireo nandritra izay vanim-potoana izay. Amin’izao fotoana izao dia maherin’ny 100 ny isan’ ireo orinasa mbola hiasan’izy ireo eo amin’izany fanomezana tolo-kevitra sy tolo-tsaina momba izany tontolon’ny fitantanana amin’ny lafiny maro izany.
Hatramin’izay nijoroan’ny orinasa izay ka hatramin’izao dia manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omeny ny mpanjifany ny “Fthm Consulting”. Antony nahazoan’ny “FTHM Consulting” fanipitony ny fankatoavana ny “Certification ISO 9001:2015” iraisam-pirenena. Ity mari-pankasitrahana iraisam-pirenena ity dia atolotra ny orinasa iray noho ny fahitana ny fahatsaran’ny kalitaon’ny asa atolony ireo mpanjifany. Mitombo 15°/°isan- taona ny vola miditra amin’ny orinasa noho izany kalitaon’ny asa sahanin’ny orinasa izany toy ny “FTHM Consulting”. Ny “FTHM Consulting” no orinasa mpanolo-tsaina voalohany nahazo ity fankasitrahana ity raha ho an’ny firenena Afrikanina.
Ny taona 2007 no nanomboka nahazo ity “Certification ISO 9001:2015” ity ny orinasa “FTHM Consulting”. Izy io izay havaozina isaky ny telo taona. Ny “SGS Madagascar” no nanolotra ity “Certification ISO 9001:2015” iraisam-pirenena ity, ny “FTHM Consulting”, ny alakamisy lasa teo, teny Ampasamadinika, araka ny fanazavan’ny mpitantana ny orinasa “FTHM Consulting”, RajaonaThierry.
