CHRISTIAN K : Hiditra amin’ny sehatra matihanina

Christian K, misakaiza akaiky amin’ny mozika sy ny hira.

Ranaivoarison Heriniaina Christian, fantatra amin’ilay solonanarana hoe : “Christian K” eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika. Raha toa ka ny fampiaraham-peo tamin’ireo mpanakanto hatrany no nahitan’ny mpankafy an’ity tovolahy kely taniketsan’ny kanto an-kira ity hatramin’izay, hiroso miandalana ho amin’ny sehatra maha matihanina azy I Christian K.

Dingana ho amin’izany ny efa nanajariany ny sanganasany “Ankizy milalao”. An-dalana ho amin’ny fianarana fitendrena zavamaneno sy fandalinana ifotony ny lafiny fihirana ihany koa I Christian K ankehitriny. Manana mpitendry sy mpandihy azy manokana ihany koa izy. Raha tsiahivina, mampiavaka an’I Christian K ilay feo voalohany hahenoana angola mandona fo avy hatrany. Milalao ny gadona rehetra (milamina sy mihetsika) I Ranaivoarison Heriniaina Christian. Misokatra amin’ny sehatra rehetra ny fiaraha-miasa aminy fa tsy ny seho evenjelika fotsiny ihany. Manan-talenta amin’ny fanentanana eny an-tsehatra I Christian K. Anisan’ireo faritra efa nanjifa ny taokantony ny tany Alaotra, Ambositra, Ilakaka, Tsiroanomandidy, sns…

Ny tolakandron’ny Alahady 07 may ho avy izao, etsy amin’ny Le Pave Antaninarenina no hiantsehatra ary ho vahinin’I Ayam, mpanakanto efa manana ny lazany I Christian K. Hisy ny fampiaraham-peo eo amin’ny roa tonta mandritra ny fampisehoana. Azo antenaina, araka izany, fa hanana ny hoaviny mamiratra I Ranaivoson Heriniana Christian eo amin’ny sehatry ny hira sy ny mozika. Izy izay mankafy ihany koa ny taranja baolina kitra.

Vous aimerez aussi