Ilofosan’ny maneran-tany ankehitriny ny fampanjakana ny lafiny fandriam-pahalemana. Anisan’ireo manao ho vaindohan-draharaha izany, ny “Communauté Internationale Baha’ie”; izay manasongadina ireo hetsika rehetra mampandry fahalemana ny fiarahamonina. Tanterahan’izy ireo amin’ny alalan’ny asa eo amin’ny lafiny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora izany. Miainga amin’ny lafiny fanabeazana ny fandriam-pahalemana. Eo ihany koa ny fiarahan’ny “Communauté Internationale Baha’ie” miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra matihanina.
Ny fitondran’ny tsirairay anjara biriky no hanova ny rafi-piaraha-monina manoloana izay fikatsahana mandrakariva ny fandriam-pahalemana izay. Ny “Communauté Internationale Baha’ie” izay efa hatramin’ny taona 1946 no mpikambana tao amin’ny Firenena Mikambana noho izy nametraka ho ambony izany lafiny fandriam-pahalemana izany. Tsy ny “Communauté Internationale Baha’ie” ihany no mametraka ho laharam-pahamehana ny fandriam-pahalemana fa na ireo “Communauté Baha’ie” rantsa-mangaika maneran-taniny aza dia manao izany ho lohalaharana. Izany indrindra no nahatonga ny “Communauté Baha’ie de Madagascar”, nanatontosa famelabelaran-kevitra mahakasika ny fampanjakana ny lafiny fandriam-pahalemana, ny alahady 07 septambra 2025, teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.
Lohahevitra noresahana tamin’io fotoana io, ny lafiny fampanjakana ny fandriam-pahalemana sy ny fifandraisan’izany amin’ny fanabeazana ary ny fahasalaman’ny saina. Tontosa soa aman-tsara ny famelabelaran-kevitra noho ny fiarahan’ny “Communauté Baha’ie de Madagascar” niasa tamin’ny Firenena Mikambana. Famelabelaran-kevitra izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampivoarana ny toekaren’ny mponina sy ny lafiny sosialy. Tsy handry fahalemana ny olona iray rehefa tsy salama ara-batana sy ara-tsaina. Tsy mahazo aina izy miara-monina amin’ny manodidina azy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny “Communauté Baha’ie” eto Madagasikara, Raharimalalanirina Tantely.
Na mihasarotra aza ny fiainana ankehitriny dia tsy tokony ho voageja ao anatin’ny rarin-tsaina sy ny fahakizintinana izay miteraka fahakorontanana ny olona iray. Ny tsy fahafehezana ireo olana rehetra ireo izay mitarika any amin’ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana. Ireo olana ireo izay tsy hampisy fandriam-pahalemana eo amin’ny fiaraha-monina. Ilaina noho izany ny fanaovana fanatanjahan-tena sy ny fahaizana mandrindra ny fotoana ary ny fisakafoanana ara-pahasalamana mba hisorohana ny rarin-tsaina, araka ny fanazavan’ny mpahay momba ny saina, Manorintsoa Niavo.
