CORONAVIRUS : Arahi-maso fatratra ny seranana

Arahi-maso fatratra ny serana fahatongavana sy hivezivezen’ny vahiny eto amintsika noho ny tsimokaretina Coronavirus efa mieli-patrana amin’ny firenena vitsivitsy maneran-tany.

Na dia tsy mbola voafaritra mazava tsara aza ny fahafantarana azy ity dia efa nisy ny fifanarahana noraisina niaraka tamin’ny Fikambanana maneran-tany misahana ny Fahasalamana (na ny OMS).

Koa ireto aloha ny famaritana azy vonjimaika

  • Misy hafanana mihoatra ny 37,5° na mahery ilay olona.
  • Misy olana ara-pisefoana, toy ny kohoka sy sempotra mihitsy izy. Indrindra raha mihoatra 20, izay tokony ho ara-dalàna ny fisefoany.
  • Mety ho mivalana
  • Fantarina koa raha efa nipetraka na nandalo tany amin’ilay firenena efa nahitana ilay aretina izy.

Ireo anefa dia mbola fanahiana ihany fa ilaina ny fanaraha-maso akaiky ny toe-pahalasamany raha ireo no mitranga.

Ilaina ny fitiliana

Hanaovana fitiliana (analyse) ny ati-tenda ka eny amin’ ny Institut Pasteur ihany no afaka  manao izany.

Arahi-maso maharitra 21 andro ireo vahiny na dia 14 andro aza ny tena fepotoana tena ahitana ny aretina. Mila fantarina, araka izany, ny toerana alehan’ilay olona sy ny telefaoniny na ny adiresin’ny hotely mandray azy.

Misy, noho izany, ny fanontaniana matetika atao amin’ireo olona ahiana sao tratran’ilay tsimokaretina ka hamindra  aorianakely.

Tsy misy eto Madagasikara

Tsy mbola misy ny ahiana ho voan’ity aretina ity eto Madagasikara. Na izany aza, atao ny fitandremana rehetra amin’ny fitiliana ireo vahiny, satria mifindra haingana izy io.

Fantatra manko fa efa 1 300 no voan’ity tsimokaretina ity any Chine, ary efa nisy 56 no maty, raha 237 kosa no marary.

Araka ny tarehi-marika avy amin’ny OMS dia efa misy ny voan’ity tsimokaretina ity any  Frantsa, Aostralia, Etazonia, Korea atsimo, Népal, Singapour, Taiwan, Thailande,  Vietman , Hong Kong, Macao ary Côte d’ivoire.

Vous aimerez aussi