CORONAVIRUS : Hiainga eny ifotony ny ady

Hiainga eny amin’ny Fokontany, manomboka anio, ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Izany no paikady ho tanterahin’ny Fitondrana, taorian’ny fahavitan’ny fitiliana natao tamin’ireo olona avy any ivelany.

Noho izany, hatomboka eny amin’ireo Fokontany ahiana, noho ny fisian’ny fifindrana ara-pikasohana, ny ady. Anisan’izany ny eny Isotry, Ambondrona,…

7 ny fifindrana ara-pikasohana

Nandray izao fanapahan-kevitra izao ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny Ministeran’ny Mponina ka hanao ny famehezana ny valanaretina eny anivon’ny Fokontany. Fantatra manko fa miisa 7 ny tranga niseho noho ny fifampikasohana.

Koa hidina eny amin’ny Fokontany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ankoatra ny fanadiovana faobe dia hisy ny fanabeazana ny mponina ny amin’ny fepetra rehetra tokony hatao sy hiatrehana ity valanaretina ity.

Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Hisy, noho izany, ny mpitsabo hizaha maimaimpoana sao dia efa misy ny manana soritraretina, toy ny fanaviana, ny kohoka, ny fahasemporana, ny havizanana,…eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Entanina avy hatrany ireo manana ireo soritraretina ireo mba ho tonga dia hanatona avy hatrany ireny mpitsabo ireny.

Ankoatra izany dia hisy koa ny fanaovana fitiliana haingana (na rapida).

Izao fihetsika izao no atao dia ahazoana mifehy araka izay haingana ny mety ho fiparitahan’ny otrikaretina amin’ireo izay olona mety ho efa nifampikasoka tamin’ny efa mitondra izany.

Vous aimerez aussi