CORONAVIRUS : Miampy 2 no voa, 3 no sitrana

Tranga vaovao roa indray no voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus ao Toamasina, tamin’ity andro alahady ity.

Samy vehivavy izy ireo : 25 sy 34 taona.

Tsy misy kosa ny teto Antananarivo sy tany amin’ny toeran-kafa.

Manome ny isa 171, araka izany, ny tontalin’ireo olona nitondra sy voan’ity tsimokaretina ity hatrizay teto amintsika.

Olona 3 kosa indray no sitrana ka nivoaka ny hopitaly nitsaboana azy. Mitontaly 104, noho izany, ny isan’izy ireo.

68 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, izay marihina fa tsy manana fanahiana ara-pahasalamana. Ny maty moa dia tsy nisy ary heverina tsy hisy.

Fitiliana 4.481

Mitontaly 4.481 ny fitiliana natao hatrizay. Ho an’ity androany ity dia fitiliana miisa 60 no natao teto Antananarivo, izay ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) sy ny Centre d’Infectiologie eny Ankatso no nanatontosa izany.

Ho an’ny tany Toamasina kosa dia ny laboratoara mandehandeha no nanao ny fitiliana, izay miisa 16.

Vitsy ny fitiliana

Raha ny tarehimarika dia hita fa mbola vitsy ny olona tiliana amin’ity tsimokaretina ity. Ny fahamaroan’izany anefa no anisan’ny maha-mora ny ady atao amin’ny tsi-faparitahany.

Maromaro ihany anefa ny fiara natao hiadiana amin’ity valanaretina ity kanefa toa mbola vitsy ny fiara laboratoara mpanao fitiliana.

Natosaka ho an’ny sarotava sy ny vary ihany ve ny fanampiana fa tsy ny fanaovana fitiliana no tokony hampitomboana sy handaniam-bola ?

Miompana amin’ny sosialim-bahoaka loatra ny vola azo avy any ivelany fa tsy hanaovana ny ady mivantana amin’ny valanaretina.

Mila mitandrina

Eo am-piandrasana izay mety hahamaro izany fanaovana fitiliana izany anefa dia ilaina mandrakariva ny fitandremana.

Apetraka hatrany ny arotava amin’ny fotoana rehetra satria tsy fantatra velively ny olona misy soritraretina, eny na dia ny olona efa voany aza dia maro no tsy ahitana izany soritraretina izany.

Zava-dehibe ny fitondrana sarontava satria ilaina amin’ny fiarovana ny aretina rehetra izany.

Eo indrindra koa ny fanasana tànana matetika.

Vous aimerez aussi