Miisa 35 ny trangan’ny olona voatily ho mitondra ny otrikaretina coronavirus tamin’ity alakamisy 07 mey ity.
22 ny eto Antananarivo ary 13 ny any Toamasina.
Tsy misy kosa ny sitrana androany. Mijanona ho 101 izany ireo sitrana hatrizay.
Mitontaly 92 kosa izany ireo tsaboina, izay marihina fa tsy manana toe-pahasalamana atahorana. Tsy misy koa ny maty.
Mitady hiparitaka
Araka ny tarehimarika dia miha-miparitaka ny toerana ahitana olona voa noho ny fifampikasohana.
Ho an’ireo ao Toamasina dia ahitana izany ny faritra vitsivitsy ao Tomasina I.
Ho an’ny eto Antananarivo kosa dia olona 2 amin’ireo no eny Atsimondrano.
Efa somary miparitaka kosa izany eto Antananarivo Renivohitra satria nahitana tranga 3 ny tao Anatihazo Isotry, nisy 1 tetsy Analamahitsy, nisy koa ny teny Tsiadana, Ambatomaro, Amboditsiry, Ambolonkandrina, Anosisoa Ambohimanarina, Anosizato Atsinanana, Soavimasoandro sy ny manodidina, toa an’i Mahatony, Alarobia Amboniloha,….
Maro ny zaza
Araka ny vaovao ofisialy dia maromaro ny zaza voa tamin’ity fitiliana ity, izay anisan’izany ny manodidina an’i Soavimasoandro iny, satria miisa 9 ireo ankizy manodidina ny 10 voa.
Noho izany, mila arovana fatratra ireny zaza sy ankizy ireny. Ankoatra ny fepetra efa mahazatra, izay tokony ho efa vita tsianjery dia tsy tokony hatao koa ny fifamangivangiana.
Mila ampitomboina hatrany ny fahadiovana satria tsy ho amin’ny coronavirus irery ihany no iadiana amin’ireny fako miha-mivangongo ireny fa ny aretina rehetra mihitsy.
Ampitomboina ny fitiliana
3.968 ny tontalin’ny fitiliana rehetra hatreto. Fitiliana miisa 229 no nahitana ireo tranga 35 androany. Mila ampitomboina, noho izany, ny isan’ny fitiliana hatao, ahazoana mahalala sy mamehy ny otrikaretina.
Hisy, araka izany, ny laboratoara mobila, izay efa atao any Toamasina, ahazoana mitily bebe kokoa, araka izay tratra ny olona eny anivon’ny Fokontany izay efa nahitana tranga.
