CORONAVIRUS : Niseho ny trangam-pahafatesana voalohany

Nolazaina androany tamim-pomba ofisialy ny trangam-pahafatesana voalohany noho ny valanaretina coronavirus na covid-19.

Namoy ny ainy ny lehilahy iray atao hoe Kasaona Roger, 59 taona. Mpiasa misahana ny fandrindrana ny fiantsonana (na parking) ao amin’ny hopitalikelin’i Toamasina izy. Misy koa anefa no milaza fa « coursier » ao amin’ity toeram-pitsabona ity ihany koa ny tenany.

Notsaboina tao amin’ny hopitaly manara-penitr’i Morafeno izy izao nodimandry izao.

Araka ny fanamarihana dia nanana olana ara-tosi-drà ity lehilahy ity no sady diabetika. Iray tamin’ireo 2 nanana toe-pahasalamana natahorana tao Toamasina izy, ary maty omaly hariva.

21 no tranga vaovao

Araka ny vaovao ofisialy nambara tamin’ity andro anio ity ihany dia fantatra fa miisa 21 ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina.

6 no voa tao Toamasina, tamin’ny fitiliana 42 natao. 15 kosa ny teto Antananarivo, tamin’ny fitiliana 61.

304, araka izany, ny tontalin’ny voan’ity aretina ity teto amintsika hatrizay.

Tsy nisy ny sitrana

Raha ny tatitra androany dia tsy nisy ny olona vaovao sitrana. Mijanona ho 114, noho izany, ireo sitrana hatrizay.

Miisa 190 kosa ireo olona mbola tsaboina, izay ny 2 amin’izy ireo no manana toe-pahasalamana sarotsarotra. Tsy misy ahiana loatra anefa ny amin’izy ireo, na ilay any Toamasina na ilay iray eny Anosiala.

Fivarotana fahazoan-dàlana

Nanterina tamin’ity tatitra androany ity fa olona nivahiny tany Toamasina ireo 15 voa eto Antananarivo ireo.

Nahazendana ny maro, araka izany, ny nahafahan’izy ireo niampita Faritra na dia nofoanana aza ny fahazoan-dàlana mivezivezy, ho an’ny olon-tsotra.

Tsotra ny fanazavana nentina : misy ny tompon’andraikitra no mivarotra izany fahazoan-dàlana izany. Ary dia eo ihany koa ny mpividy.

Andrasana ny fanambaran’ny Filoha

Ny takariva amin’ny 8 ora eo no hanao fanambarana indray ny Filoham-pirenena. Andrasana fatratra indray izay mety ho fepetra vaovao ho raisina manoloana ny hamehana ara-pahasalamana izay efa tapaky ny Filankevitry ny Minisitra.

Andrasana fatratra ihany koa anefa ny amin’ny mpivarotra fanomezan-dàlana, izay fantatra fa tompon’antoka amin’ny fanapariahana ity valanaretina ity.

Vous aimerez aussi