CORONAVIRUS TAO MANARINTSOA ISOTRY : Olona 1 namindra tamin’ny olona 16

Olona 24 no voatilin’ny Centre d’Infectiologie Charles Mérieux (CICM) ho mitondra ny tsimokaretina tamin’ireo 120 nanaova fitiliana, tamin’ity androany ity.

Ny 16 tamin’ireo dia teto Antananarivo. Na ny marimarina kokoa dia mponina etsy Manarintsoa Isotry.

Ny 3 kosa dia tany Toamasina. Miampy ireo 5 tsy mbola voamarina tamin’ireo 11 izany ka manome ny isa 24.

21 ny an’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM)

Ho an’ny fitiliana miisa 54 nataon’ny IPM kosa dia nahitana olona voa vaovao miisa 5 (tamin’ireo notiliana 34) teto Antananarivo.

16 kosa no olona vaovao voa (tamin’ireo fitiliana 20) tany Toamasina.  21 izany no isan’izy ireo.

Araka izany dia 24 + 21 ny isan’ny voa notilian’ireo laboratoara roa ireo.

Raha akapoka ‘zany dia 45 no tontalin’ireo voa voatily androany.

Raha atambatra ny voa hatrizay dia miisa 283.

114 no sitrana

2 no nandao ny hopitaly noho ny fahasitranany, tamin’ity androany ity. 114 izany no isan’ireo sitrana tamin’ity aretina ity hatrizay.

169 kosa no isan’ireo mbola tsaboina eny anivon’ny hopitaly, ka ny 3 amin’izy ireo no ilay lazaina ho mananosarotra na gravy. Ny 2 moa any Toamasina ary ny 1 etsy Anosiala.

Mora mifindra ity aretina ity

Olona 1 no namindra tamin’ny 16, tao Manarintsoa Isotry. Tranga maneho izany fa mora mifindra loatra ity valanaretina ity.

Araka izany dia tsy maintsy hotadiavina indray ireo izay nifanerasera tamin’ireo 16 ireo ka hatao fitiliana. Dia mitohy toy izany hatrany !

Misy anefa ireo tsy mino loatra ny fifindran’ity aretina ity ka manao antsirambina ny fitandremana tokony hatao.

Ilaina hatrany ny sarontava, ny elanelana 1 metatra,…na dia ho an’ny mpiray tokontany aza. Ampiasaina koa ny lanton-tsandry ho an’izay mievina na mikohoka.

Vous aimerez aussi