CORONAVIRUS : Tsy misy ny tranga vaovao, andrasana ny isan’ireo sitrana

Tsy misy ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany na dia olona 100 teo ho eo aza no natao fitiliana.

Araka izany, mijanona ho 82 ny isan’ireo mbola tsaboina eny anivon’ny hopitaly samihafa eny. Heverina ary irina ny fahasitranan’izy ireo, ary andrasana avy eny amin’ireo  toeram-pitsaboana manerana ny Nosy ny ho isany.

Nanterina ihany koa fa tsy misy ny aina nafoy ary heverina ho tsy ho tonga amin’izany ny tranga eto amintsika.

Na izany aza, mitohy hatrany ny ezaka satria tsy mbola tafavoaka mpandresy tanteraka isika manoloana ity valanaretina ity.

Noho izany, anterina hatrany ny tokony hanarahana ny fihibohana an-trano, ny manampina ny vava sy ny orona, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanasana tànana amin’ny savony, tsy tokony hifamihina sy hifanoroka, ny manahy ny akanjo avy nanaovana eny amin’ny tanin’andro,…

Vous aimerez aussi