CORONAVIRUS : Vehivavy teny Isotry nifampikasoka no voa

Niampy iray indray no voan’ny otrikaretina coronavirus, araka ny fitiliana natao ny maraina teo.

Tovovavy vao 19 taona izy ity ary monina eny Isotry eny. Araka ny fanamarihana dia noho ny fifampikasohana no nahazoany ny otrikaretina.

Efa tsy maninona ireo 4 sempotra

Araka izany, 59 ireo voan’ny aretina hatreto ary ny 12 amin’ireo ihany no misy ny soritraretina.

Ho an’ireto 12 ireto dia ny 4 ihany no nisy fahasemporana. Saingy noho ny fitsaboana natao azy ireo dia azo lazaina ho efa tsy maninona izy ireo. Izany hoe tsy mampiasa fitaovana ho fanampiana azy amin’ny fahasemporana intsony.

7 no voa noho ny fifampikasohana

Araka ny tarehimarika dia mitombo isa ny voan’ny otrikaretina noho ny fifampikasohana. Izany hoe olona tsy avy any am-pita izy ireo fa nifanerasera kosa tamin’ny olona avy any.

Raha olona vitsivitsy tahaka izany anefa no voa dia azo heverina ho loza mitatao ihany satria mety hamindra amin’ny olona vitsivitsy koa izy ireo. Koa raha olona vitsivitsy no mifamindra amin’ny vitsivitsy hafa dia hiha-maro dia maro no voany satria mihanaka vetivety ny fifindran’ny valanaretina.

Mihiboka an-trano ihany

Tsy misy afa-tsy ny fihibobana an-trano ihany anefa ny fanafodin’izy ity. Noho ny fitadiavana samihafa sy ny tsy fahafahana manangona sakafo anefa dia misy ihany ny tsy maintsy mivoaka.

Ilaina, noho izany, eny an-dàlana eny ny fanajana ny elanelana iray metatra. Tsy tokony hadino indrindra koa ny fisasana tànana sy fitafiana rehefa tonga avy any ivelany any.

Vous aimerez aussi