Mitaky ny hanomezana ireo fitaovana manara-penitra ahafahana miaro azy ireo amin’ny valanaretina covid- 19 ireo mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara. Raha tsiahivina, efa miisa 02 ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana no nifindran’ny covid- 19 avy amin’ireo marary notsaboin’izy ireo. Tsy zarizary hatreto ny fitaovam-piarovana ampiasain’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana eto Madagasikara miatrika ny valanaretina covid- 19. Manify ihany koa ny tambin-karama raisin’izy ireo raha mitaha amin’ny fisian’ny loza mitatao mandrakariva eo amin’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa iantsorohany. Tsy miamboho adidy anefa izy ireo hatreto.
Omeo sehatra sy lanja
Nanamarika ny fianakaviam-ben’ny mpiasan’ny fahasalamana ny tokony hanomezana sehatra malalaka azy ireo amin’ny fametrahana ny paikady entina miatrika ny valanaretina covid- 19. « Omeo ny lanjany sy ny toerana ho amin’ny famolavolana ny drafim-panoherana izay mifototra amin’ny fampiofanana sy fampitaovana izahay », hoy hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana. Tsy nisalasala izy ireo nangataka fihaonana an-databatra boribory amin’ny fanjakana foibe ahafahana mifanakalo hevitra ho amin’ny fitadiavana ny drafitrasa mahomby kokoa hiatrehana ny valanaretina covid- 19.
Raha ity fanambarana nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ity no zohina dia mbola maro ny lesoka mila harenina amin’ny fiatrehan’i Madagasikara ny valanaretina covid- 19. Mila jerena haingana izy ireny fa ny loza efa mby an-koditra.
