Niroso tamin’ny fanamboarana ny lakan-drano etsy amin’ny CSB2 Andravoahangy ny eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tamin’ny alalan’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo no nanao ny fanaraha-maso sy ny fandaminana rehetra.
Nambaran’ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa fandaminana no natao ary nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpivarotra teo amin’ny lakan-drano niaraka tamin’ny fokontany, orinasa Colas mpanamboatra ny lalana, ny “Direction” ny tsena ka nanaiky ny toromarika sy ny fifanarahana ary ny fandaminana ireo mpivarotra. Izay mahafaly ny mpivarotra no atao ary omena fahafaha-po izy ireo, hoy ny fanazavana.
Hatao rarivato na “béton” ity lakan-drano ity, satria, rehefa avy ny orana dia tsy azo handehanana ary mamotaka ny lalana rehefa avy ny orana, ka izany no antony nahatonga ny delege niroso tamin’ny fanamboarana ny lakan-drano. Ho vita mialohan’ny fahavaratra ity lalana ity, hoy ny fanazavany. Marihana, fa tsy mbola misy ny eritreritra hanala ireo mpivarotra, hoy hatrany ny delege. Tsiahivana, fa niteraka fitokonana sy filanjana sorabaventy ny fikasana hanala ireo mpivarotra etsy amin’ny lakan-drano ao amin’ny CSB 2 Andravoahangy, ka nisy ny hetsika nataon’izy ireo nentina nanoherana izany. Tsy marina kosa ny filazana fa hesorina ireo mpivarotra ireo.
Mbola fandaminana sy fifampidinihana no natao tamin’izy ireo, hoy ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina. Marina, fa mamotaka ary miaina ao anatin’ny fotaka mandrevo ireo mpivarotra rehefa avy ny orana, ka nahatonga ny fiadidiana ny tanàna hanamboatra ny toerana. Hatao “beton” io lalana izay hivarotan’ny mpivarotra io, izay mirefy any amin’ny 500 metatra ary rehefa vita izany dia afaka miverina mivarotra amin’ny toerany indray ireo mpivarotra, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Nambaran’ny delege hatrany, fa tsy misy eritreritra hanala ireo mpivarotra mihitsy, fa mbola ao anatin’ny fifampidinihana izany ny tompon’andraikitra amin’izao ary izao niroso tamin’ny fanamboarana ny lakan-drano ny Boriborintany fahatelo.
Farany, raha ny vaovao azo hatrany, dia afidra vonjy maika ao amin’ny tsenan’ny CSB 2 ireo mpivarotra esorina ireo, mandrapahavita ny toerana hivarotan’izy ireo.
