“DELESTAZY, TSY FANDRIAM-PAHALEMANA, KOLIKOLY, TSY FISIAN’ASA…” : “Mbola misy Fanjakana ve eto ?”

Difotry ny fahasahiranana ary soavalin’ny fahantrana tanteraka ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Mitrongy vao homana, mandry andriran’antsy lava izao noho ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana, ny famoronana asa tsy misy. Vokany, mahazo laka ny kolikoly. Mifampihinana ampitoerana ny samy Malagasy, tazana sy heno etsy sy eroa ny famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana.

Mandia ny faha enina ambinifolo taona nitantanany ny Firenena ny filoham-pirenena amperinasa ankehitriny. Hatreto aloha azo ambara fa tsy nahavaha olana ary tsy nahavita nanatanteraka ireo “Velirano” nitalakotrokotroka nataony ny Filoham-pirenena sy ireo ekipany. Ny filoham-pirenena izay nanao kabary niezinezina nolaroina fampanantenana niezinezina ny amin’ny famahana ireo olana rehetra sedrain’ny vahoaka Malagasy anatin’ny fotoana fohy.

Aoka tsy hohadinointsika Malagasy fa antompisian’ny Fanjakana ny fiahiana ny Vahoaka izay tantaniny. Hatreto aloha tsy misy miahy ny Malagasy fa samy mandeha dia samy mitady ary ny fiafarany dia samy mandady. Ireo mpitondra no bolangina sy efa manana hoavy mamiratra sy milamina aoka izany. Ny filoham-pirenena ankehitriny fony izy nikatsaka ny hitondra fanjakana no efa nametraka ilay fanontaniana nanao hoe : “Mbola misy fanjakana ve eto ?” Isika vahoaka Malagasy mibaby fahantrana kosa ankehitriny no tokony hiara-hiredona io fanontaniana io amin’ireto mpitondra firenena amperinasa ireto.

Tsy vitan’ny mandohalika intsony mantsy i Madagasikara fa efa mandady sy mikisaka amin’ny kibony noho ny fahantrana ateraky ny fitiavan-tena diso tafahoatra sy ny tsy fahaiza-mitantan’ireo tomponandraikim-panjakana isan’ambaratongany. Vokany, mahazo laka ny kolikoly sy ny tsy maty manota. Ireto tranga ireto izay sakana ho amin’ny fikatsahana ny fampandrosoana sy ny Soa iombonana. Mila olombelona tena tia tanindrazana sy avara-pianarana ary matahotra an’Andriamanitra i Madagasikara fa efa valaky ny anaovan’ireo mpanao politika maty eritreritra tsy mahafantatra afa tsy ny tombontsoa ho an’ny tenany, ny fianakaviany ary ireo akamany azy.

Mila mandray andraikitra manandrify azy ny isam-batan’olona raha te hanana hoavy mamiratra ireo taranaka handimby. Mila haverina iainana ireo soatoavina sarobidy toy ny firaisankina, ny fihavanana ary ny fahatahorana ilay ZANAHARY an-tampon’ ny loha.

Vous aimerez aussi